Politique

Kofona Rajoelina sy ny IEM Mandadilady amin’ny mpamatsy vola


  • Alarobia 13 Febroary 2019

Nandritra ny fihaonana tany Addis Abeba, dia nangataka ny filoha Rajoelina mba hampitomboina avo 5 heny na 10 heny mihitsy aza ny fanampian’ny banky Afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD),

 

mba ho fanamafisana ny fampiharana ny tetikasa sy ny vina fampandrosoana tafiditra ao amin’ny politika vaovaon’ny fanjakana. Nitaky ny hamoahana haingana ny fanampiana ara-bola izy. Mbola vao resaka koa io fa tsy tonga dia hampindrana na hanome vola ny BAD, eny fa na hisy tompon’andraikitra ho avy ary eto. Io ilay efa nahiana fa resa-be sy kitsapatsapa no natao tamin’ny propagandy fa arak’izao zavatra hita izao dia 0 ariary ny IEM… Afaka firy volana sa firy taona no hisy bolongam-bola tena hahavitana asa mivaingana toy ny autoroute, building, tanàna vaovao, Toamasina lasa Miami, Ambatondrazaka lasa Parisy…? Etsy an-kilan’izay mahafantatra tsara ny zava-nisy marina teto tamin’ny propagandy sy ny fikirakirana ny voka-pifidianana ny sehatra iraisam-pirenena ka tsy maintsy mailo satria nisy zavatra tsy nilamina teto. Efa nekena moa fa lany Rajoelina mba hisorohana korontana sy ady an-trano, hono. Amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena tahaka izao rahateo, dia zava-dehibe ny fomba fiteny sy firesaka ara-diplomatika. Azon’ny mpamatsy vola atao ny mampanantena fa tsy terena izy amin’ny fanatanterahana, ary efa tratran’izany ny fanjakana Rajaonarimampianina. Ny volana desambra 2016, nandritra ny fikaonan-doha tamin’ny mpamatsy vola tany Parisy, dia nahazo toky fa hahazo famatsiam-bola sy fampiasam-bola hatrany amin’ny 10 miliara dolara i Madagasikara saingy inona no teo ? Ny hita ankehitriny aloha dia manomboka mipopopopo mitady lalana sy mitambezo vola amin’ny mpamatsy vola mahazatra Rajoelina. Raha hiverenana anefa ny vava sy ny hambo tamin’ny adihevitr’ireo kandida filoha roa tonta ny 16 desambra 2018, dia nilaza i Marc Ravalomanana fa tsy mbola afa-miala amin’ny mpamatsy vola mahazatra isika. “Ny an’i zoky be raiamandreny hitrosa any amin’ny “bailleur traditional” foana kanefa rehefa izaho no hitondra dia isika indray no ampindrana an’i Kaomoro", hoy Rajoelina. Mbola tsaroany ve izany ? Ny vavan-dRajoelina no nilaza ny 3 novambra 2018, fa mivarotra tany 100ha dia mahavita zavatra betsaka, ka io izany no paik’ady rehefa tsy mahafa-po ny mpamatsy vola…

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT