Politique

KMMR manohana an’i Dada Tsy maintsy sahy miatrika ny zava-drehetra


  • Zoma 12 Janoary 2018

Niarahaba manokana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fahazoany fandresena tamin’ilay fifaninanana “Olon’i Afrika 2017” na ny “ALM Person of the year 2017” teo amin’ny sokajy haitarika ara-politika na ny “Political Leadership” ny vahoaka maro be mpanara-dia omaly.

 

 Tamin-kafaliana no nandraisan’i Marc Ravalomanana izany, ka nisaorany ny vahoaka manontolo. Nohamafisiny ny fahavononana hametraka ilay Madagasikara vaovao mandroso ka niantsoany ny vahoaka ho vonona sy sahy hatrany. Efa ao anatiko ao, ka tsy hamelako, tsy hamelanay, ary tsy hamelantsika mihitsy raha tsy azontsika ny tany vaovao, dia i Madagasikara miverina aminareo, hoy izy. Mahonena ny mahita ny olona noana. Noraisiny ohatra ny fahorian’ny olona hitany tany Toliara ny faran’ny herinandro teo sy ny teny amin’ny Paraky Ankadimbahoaka afak’omaly, izay vatomamy sisa no hanina. Raha tsy ho sahy amin’izay ihany ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao tsy ho sahy mandrakizay intsony, hoy izy. Dia milaza aminareo aho fa mila fahasahiana ity, ka na fampitahorana na fandrahonana na fanenjehana, tsy misy mandaitra amiko izany, fa mila anareo aho ho sahy hanaraka ahy, hoy ny fampanantenany. Mila anareo aho hieritreritra ny tena hoavin’ny firenena, ary manàna « vision ». Manàna ianareo fahasahiana, manàna ianareo fanantenana, ary rehefa manana fanantenana ianareo tsy maintsy misy fiovana io, hoy izy. Betsaka no niantso manoloana ny vaovao an-gazety isan-karazany momba ny fanenjehana na hisamborana azy, toy Vondrona Eoropeanina, ny Frantsay sy ny hoe: aiza ianao ? Tsy ny eto Magadasikara ihany no manara-maso antsika, fa izao tontolo izao. Efa miakatra isika ary efa mandeha amin’ny làlana tokony hizorana amin’ny demokrasia, ka aza matahotra milaza izany intsony, hoy ny antsony. “Aza matahotra, fa aleo izy hisambotra eo ahitantsika azy”, hoy izy. Noho izany dia hanana tany vaovao isika, hanana Madagasikara vaovao, hanana fampandrosoana vaovao. Fa rehefa milaza aminareo aho hoe tongava ianareo dia tonga, milaza aho hoe izao atao dia atao! Horakora-pahavononana no setriny nataon’ny vahoaka maro be!

“Tsy maintsy vitantsika mandroso i Madagasikara”

Izay fahaizako sy fahakingako, izay talenta nomen’Andriamanitra ahy tsy hohazoniko izao samirery  na homeko ny vady aman-janako fotsiny, fa homeko ny vahoaka Malagasy, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. “Tsy maintsy vitantsika mandroso ity Madagasikara ity, mihinan-kanina ireo olona ireo”, hoy izy. Fotoana izao mba hilazantsika ny tena marina satria ity taona 2018 ity dia tena kihon-dàlana anankiray eto amin’ny tany sy ny fanjakana hisafidianann’ny vahoaka Malagasy an-kahalalahana amin’ny fomba demokratika, ary indrindra famelana malalaka ny olona rehetra. Anjaran’ny vahoaka tompom-pahefana no misafidy izay tiany, izay mendrika, ary iza no hahavita, izay no fanantenana, hoy I Marc Ravalomanana. Omaly ihany, dia lasa nisidina any ampitan-dranomasina I Marc Ravalomanana, ary nilaza hihaona amin’ny filoha Kenianina Uhuru Kenyatta, laharana faharoa taoriany tamin’ilay fifaninana “ALM Person of the year 2017”, mialohan’ny fahatongavany any Frantsa. Hihaona amin’ny mpanohana Frantsa ny sabotsy 13 janoary ho avy izao, ka ao Parisy no hanaovana azy io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT