Politique

KMMR 2018 Vonona tanteraka hampandresy an-dRavalo


  • Alarobia 14 Febroary 2018

Komity goavana hivondronan’ny olom-pirenena tsy an-kanavaka hanohana sy hampandresy an’i Marc Ravalomanana ny KMMR 2018 na ny “Komity Mpanohana an'i Marc Ravalomanana 2018 ».

 Misokatra ho an’ny Malagasy rehetra, ka ny  lasitry ny fomba fandaminana dia efa vita ary efa aparitaka, hoy ny mpitarika azy Constant Raveloson tamin’ny fakan-kevitra natao taminy momba ny fivoaran’ity komity ity. Ny olona nanatona na niantso ary vonona ny hanatanteraka ny tanjona, dia efa ny avy amin’ny lafivalon’ny Nosy mihitsy, hoy izy. Mandeha miandalana kosa ny famondronana azy isaky ny faritra. Ao anatin’ny famahanana hatrany ny olona rehetra amin’ny foto-kevitra fototra dia ny hoe:  “Marc Ravalomanana no hotohanana ho lasa filohan’ny Repoblika amin’ny fifidianana”. Manomboka amin’ny famondronan-kery mipaka amin’ny latsa-bato sy ny fiarovana ny safidy izany. Ny efa mandeha amin’izao fotoana dia ny hahatonga azy ho afaka hanao politika malalaka tsy helingelenina, hoy hatrany ny filohan’ny KMMR 2018. Anisan’izany ny tsy hisian’ny fampiasana ny foloalindahy, ny fitsarana, ny fampiasana ny haino aman-jerim-pirenena,… ho fitaovam-piadiana politika, hoy ny mpitarika ny KMMR 2018. Manana zo harovan’ny foloalindahy ny olom-pirenena rehetra, ary mahazo sehatra ao amin’ny radiom-pirenena rehefa olona manao politika na mitovy na mifanohitra fomba fijery amin’ny mpitondra. Iombonana amin’ny mpanao politika eto io tanjona io. Ho an’ny KMMR manokana kosa, dia mitaona ny olona sy mamondrona hanaraka ny fandaminana efa mandeha, ary ny olona isaky faritra misy azy. Ny mamondrona na mampikaona azy ireo isaky ny distrika izao no dingana manaraka hatao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT