Mankahery ireo raiamandreny am-panahy ao amin’ny FFKM amin’ny ezaka ataon’izy ireo hivoahana amin’ny izao krizy lalina mampijaly ny vahoaka izao ny KMFB Analamanga ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana, araka ny fampitam-baovao nomen’ny solontenan’izy ireo ny mpanao gazety omaly, ary manantena azy ireo hanafaingana ny famahana izao olona izao ka hampihaona tsy ho ela an’ireo filoha telo mirahalahy teo aloha sy ny filohan’ny tetezamita ankehitriny vao hanatanteraka fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra isika. Nambaran’ireo nanao fanambarana fa araka ny lokaloka efa nataon’izy ireo tamin’ny fandraisana anjara tamin’ilay dinika savaranonando sy dinika santatra teny Ivato dia vonona hitondra ny anjara birikiny amin’ny hetsika rehetra ho fanatanterahana an’izany ezaka izany ny KMFB Analamanga.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.