Manahy ny fizotran’ny fanomanana ny fifidianana hotanterahana amin’ny taona ho avy ny Kmf/Cnoe (Komitim-pirenena Mpanaramaso ny Fifidianana).
Hita soritra sahady mantsy ny fahasahiranan’ny CENI (Commission Electorale Nationale Indépendante) eo amin’ny lafiny tetibola raha ny zava-misy ankehitriny, hoy ity firaisamonim-pirenena ity. Miandry fotsiny ny sitrapon’ny fahefana mpanatanteraka sy ireo mpamatsy vola iraisampirenena io rafitra nasionaly lazaina ho mahaleotena io. Napetraka ny Sacem (Soutien Au Cycle Electoral Malgache) ny taona 2013 ho famoahana an’i Madagasikara tao anatin’ny krizy lavareny. Mbola miantehitra tanteraka amin’izany tetikasa izany ihany anefa ny fanjakana Malagasy mandritra ny taona 2017 hatramin’ny taona 2019. Fihetsika toa midika ho fianteherana amin’ny sehatra iraisampirenena. Tranga efa misongadina eto amin’ny firenena ihany koa ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ho an’ireo kandida sasantsasany, hoy ny Kmf/Cnoe. Vahaolana haroson’ity farany ny fanalavana ho 3 volana ny fe-potoana fanaovana propagandy ao anatin’ny fehezan-dalàna vaovao hifehy ny fifidianana. Mila tontosaina amin’ny 2018 moa ny fifidianana eto Madagasikara, araka ny fitakian’ny fikambanana.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.