Politique

KMF-Cnoe “Mila miroso amin`ny biometrika isika”


  • Zoma 31 Janoary 2020

Hiatrika fifidianana telo indray miaraka isika amin`ny taona 2023. Eo ny fifidianana filohan`ny Repoblika, ny fifidianana solombavambahoaka ary ny fifidianana monisipaly sy kaominaly.

 

Raha ireo fifidianana telo indray miaraka ireo, raha olona mareforefo amin`ny traikefa no hisahana ny fitantanana izany: tsy fahombiazana ny zava-kitranga, hoy Andriamalazaray Andoniaina, filoha nasionalin`ny KMF-Cnoe. Tolo-kevitry ny KMF-Cnoe moa ny firosohana mankany amin`ny biometrika ny lisi-pifidianana. Ny nampahomby na tsia ny fifidianana teto Madagasikara dia miainga amin`io listra io. Io ihany koa anefa no mety hampatoky ny olom-pirenena an`izay rafitra mikarakara ny fifidianana ho avy, hoy ihany izy. Miainga amin`ny fandrafetana sy famolavolana ny lisi-pifidianana avokoa ny fanatrarana ny fizotram-pifidianana rehetra ho avy. Manamafy ny KMF-Cnoe fa mandamina ny fiarahamonina ny firosoana amin`ny biometrika. Tsy mihemotra amin`izay tolo-kevitra izy ireo na lafo aza satria fahombiazana ny resaka. Tsy ny fifidianana ihany no hilamina fa lafiny rehetra mihitsy, hoy izy. Manentana ny tsirairay ny KMF Cnoe mba samy hahatsapa tena mba ho tompon’andraikitra ho amin`ny fiatrehana ny raharaham-pifidianana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT