KMF

CNOE Mikatsaka izay hampavitrika ny mpifidy


  • Zoma 22 Desambra 2017

Raikitra omaly tetsy amin’ny Falda Antanimena ny andiany voalohany amin’ny fikaonandoha tontosain’ny komity mpanara-maso ny fiainam-pirenena na KMF/CNOE mba hijerena izay fomba mahomby entina hanabeazana ireo olom-pirenena


mihoatra ny 18 taona havitrika handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ho avy. Ilaina hampahafantarina ny olom-pirenena fa hisy fiantraikany amin’ny hoaviny sy ny fireneny ary ny taranany ny tsy fandraisany anjara, hoy ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra. Hanentana ny olom-pirenena hijery ny anarany izahay, hoy izy ireo, ary hanampy ny fanjakana amin’ny ezaka fanaovana sora-pahaterahana. Ezahana ihany koa ny hitadiavana lalana hampangaraharahana ny tontolom-pifidianana. Raha 25 tapitrisa ny isantsika Malagasy amin’izao fotoana ka mbola ho 8 tapitrisa ihany ny mpifidy dia tsy mety intsony fa hiahiahy hatrany ny sehatra iraisam-pirenena. Ezahana ny hahatody izany ho 10 tapitrisa sy hampavitrika ny vehivavy izay matetika eo amin’ny 45% eo hatrany hatreto. Hezahana ho maro koa ny tanora. Telo andro moa ny faharetan’izy ity ary solontena avy amin’ny distrika miisa 26 no mandray anjara. Mbola hisy andiany roa hafa amin’io herinandro io sy ny manaraka izay, raha ny fanazavana.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT