Politique

KMDT Razanakoto Marcellin Manome 24 ora an-dRajoelina hametra-pialana


  • Zoma 27 Janoary 2012

Mangataka am-panajana an’Atoa Andry Rajoelina mba hametra-pialana ao anatin’ny 24 ora, ho an’ny fitiavany tanindrazana ka hamerina ny fahefana amin’ny vahoaka, hoy ny KMDT (Komity Miaro ny Demokrasia sy ny Tetezamita) tarihan-dRazanakoto Marcellin omaly tetsy amin’ny Motel de Tanà Anosibe.

Tampina ny daomy, hoy izy ireo, satria tsy manana ny fiandrianam-pireneny intsony i Madagasikara fa ny Afrikanina no mampiantso fifampidinihana noho ny atandrevaky ny mpitondra matahotra ny hanatanterak’izay nifanarahana. Famitaham-bahoaka amin’ny kobaka am-bava sy lainga tsara lahatra, hoy izy ireo, no nisy ka nilazana fa mahavita tena ny firenena tantanan’ny fitondrana tetezamita ary manana ambim-bava amin’ny vola vahiny nefa mandadilady etsy sy eroa mitady fanampiana ka lalaovin’ny firenena ivelany.

Misavoritaka ny fiainam-bahoaka ka miseho ny fitakiana isan-karazanay sy fitokonana etsy sy eroa. 15 volana, hoy ny KMDT, no nofaritana teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey fa ahatongavana any ami’ny fifidianana ara-demokratika madio sy eken’ny rehetra nefa tonga hatrany Maputo sy Addis Abeba hatreny amin’ny fifanarahana politika teny Ivato ny taona 2011 ary hatramin’izao fampiharana ny tondrozotra izao nefa nibaribary ny adilahy politika sy fifandroritana tsy ahitam-bokatra ka mampitarazoka hatrany ny fitondrana tetezamita.

Nanantena mafy ny fiovana ny Malagasy tamin’iny tolona ny 2009 iny, hoy Razanakoto Marcellin, nefa diso fanantenana tanteraka satria latsaka ao anatin’ny fahantrana noho ny fahaverezana asa, ny tsy fandriampahalemana indrindra ny fidangan’ny vidim-piainana noho ny tsy fahamatoran’ny mpitondra mivadibadi-kevitra amin’ny fitantanan-draharaham-pirenena. Tena tsy nahitam-bokatra ny fanaovan’ny vahoaka sorona ny ainy. Izahay mihitsy no anisan’ny nametraka an-dRajoelina teo amin’ny fitondrana, hoy ny KMDT, fa tsy hoe rehefa nametraka ianao ka na inona ataon’io olona io na inona dia iaretana daholo. Tsy manaiky an’izany izahay ka manao antso avo amin’ny Hery velona rehetra, ny Tafika Zandary, Polisy sy ny Sendika isan-karazany hifanome tanana hanavotra ny Firenena. Raha toa ka tsy mamaly ny antso ao anatin’ny 24 ora Rajoelina dia hiditra amin’ny tolona mafimafy kokoa ny vahoaka, hoy Atoa Razanakoto Marcellin ary ho eny amin’ny Kianjan’ny demokrasia eny Ambohijatovo fa tsy ilana fangatahan-dalana izany. Raha izay hoe hasolo ny mpitondra ankehitriny dia nambaran’ity mpitarika ny KMDT ity fa tsy lany Olomanga i Madagasikara.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT