Nanitrikitrika tanteraka Raveloson Louis De Gonzague mpitarika ny "Komity Miaro ny Demokrasia" fa ny fanatanterahana ny fifidianana haingana no vahaolana hivoahana amin’ity krizy lavareny ity.
Tsy hadinony ihany koa ny nanainga mavesatra ireo mpiaradia amin’ny KMD hanampy an’i Andry Rajoelina ho amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Nanteriny fa amin’izao vanim-potoana ankehitriny izao no tena manjaka ny fahalalahana maneho hevitra. Izany tokoa àry ve no zava-misy eto Gasikara ? Toa mifanohitra ihany amin’izay nolazain’i Andry Rajoelina momba ny fanatanterahana ny fifidianana ity nambaran’ny KMD ity izay miaka dia maika tokoa hanao fifidianana.
Ralalasoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.