Nijoro ara-pomba ofisialy eto Madagasikara omaly ny Firaisamonim-pirenena”Monde, Justice”, raha toa ka efa hatry ny ela ny any Frantsa, Bruxelles, Amerika, Canada, La Réunion …
Mitarika izany ho an’ny eto Madagasikara ry Arlette Ramaroson, Ihanta Randriamandranto, James Ratsima, Régis Randriamamonjisoa. Mifandraika amin’ny tanjona 17-n’ny fampandrosoana lovain-jafy (ODD) ny zava-kendrena ao anatiny. Tanjona iraisana amin’ny iraisam-pirenena ny fampitovian-jo sy fampitoviana tantana satria eto ambonin’ny tany dia ny 10% amin’ny olona no mifehy ny 83% amin’ny harena eto amin’izao tontolo izao. Hiady ary tsy hitsitsy eo anatrehan’izany ny fisamborana tsy ara-dalàna (arrestation arbitraire), fanitsakitsahana ny fahalalahana maneho hevitra,… Tsy tokony hatao fitaovana ihany koa ny fahefana izay avy amin’ny vahoaka (pouvoir régaliennes), hoy izy ireo. Manohitra ny fandrobana ny harem-pirenena amin’ny endriny rehetra na ambanin’ny tany io na ambonin’ny tany toy ny vatosoa sy ny zavaboary. Miady amin’ny endri-panandevozana amin’ny endriny rehetra. Miady amin’ny fangoronana ny tany eto amin’ny firenena, ny famarotan-tanindrazana na mivantana na an-kolala,… Tsy hanaiky ny fanjakana tsy tan-dalàna, ny fanjakazakana, ny politika maloto toy fifidianana feno hosoka. Navoitran’izy ireo fa tena hitory any amin’ny Tribonaly Iraisam-pirenena izy ireo manoloana ny zava-misy eto Madagasikara. Manana mpahay lalàna nanana ny naha izy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo. Noresahina tao koa ny raharaha Ambohitrimanjaka, ny tany 60 000ha hampiasain’ny arabo. Tsy miady amin’izay eo amin’ny fitondrana fa mitolona manoloana ny zavatra tsy mety, hoy i Ihanta Randriamandranto.
Toky R sy J.Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.