Politika gasy ! Mitabatabŕ raha te hahazo toerana. Voaporofo indray izany tamin’io fananganana governemanta vaovaon’i Solonandrasana Mahafaly Olivier io.
Tsy niherina akory ny taona, nisian’ny fifanolanana goavana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny filohan’ny Repoblika, ka tonga tamin’ny fanonganan’iretsy voalohany ny filoha tamin’ny nanaovan’izy ireo « motion de déchéance ». Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no nanavotra ny filoha tamin’ny ora farany tamin’izany nisorahana ny tsy hisian’ny krizin’ny andrimpanjakana, ary nanolo-kevitra ny hanaovana « pacte de responsabilité » izay tsy hita popoka moa ny tohiny amin’izao na nohajaina ihany na natao tsara pirina any anaty vatasarihana any. Lohandohan’ny mpisorona isany nivoy sy ny nipoak’afo ary nitabataba teny Tsimbazaza tamin’io « motion de déchéance » Rabenirina Jean Jacques, depioten’i Betioky Atsimo lany tamin’ny anaran’ny antoko VPM – MMM (Malagasy Miara Miainga). Izy rahateo no filohan’ny vondrona parlemantera VPM – MMM eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Farafamparany teo dia niantso ny tokony hirosoana amin’ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fotoana ny filoha nasionalin’ny antoko VPM – MMM, Hajo Andrianainarivelo. Gaga ny rehetra nahita fa notendrena ho minisitry ny kolontsaina sy ny asa tanana ao amin’ny governemanta Mahafaly Olivier indray i Rabenirina Jean Jacques, izay raha adika tsotra dia vonona ny hanatanteraka ny fandaharan’asan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina indray. Inona no nitranga tany ambadika tany ? Ny lojikan’ny fahazoany toerana ao anaty governemanta aloha dia midika fa mihidy vava satria hofehezin’ny firaisankinan’ny governemanta sy ny tsiambaratelom-panjakana. Dia nanara-dia an’i Roland Ratsiraka izany Rabenirina Jean Jacques, i Roland Ratsiraka ilay kandida nitabataba sy nandrangaranga fa manana dosie raha nifandahatra tamin’i Hery Rajaonarimampianina, nandritra ny fandaharana adihevitra tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray eto an-drenivohitra, izay nanasany kandida vitsivitsy tamin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.