Politique

Kidnapping, rongony, fonja vaky... Mahagaga ny fahanginan’ny Tonia Mpampanoa lalŕna


  • Sabotsy 07 Mey 2016

Nisesy ny tranga heloka bevava sy fandikan-dalŕna teto amin’ny firenena tato anatin’ny iray volana izao.

 

Teo ireo fakana an-keriny in-droa nisesy, teratany karana mpandraharaha tao Antsirabe sy tompona “Quincaillerie” teto Antananarivo. Voasambotra ny dimy tamin’ireo tompon’antoka tamin’ny tany Antsirabe, mangingina kosa ny teto Antananarivo. Vaovao mbola mitana ny sain’ny maro ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana mpianatra madinika enina teny Mahitsy ny 29 aprily 2016, noho ny tsy fitandreman’ny mpamily. Toy izany koa ny fonja vaky tao Toliara ny alin’ny 1 mey teo,  ka nitsoahan’ny gadra miisa 37, ary mbola karohina ny antsasamanilan’ireo. Ny vaovao farany nitranga dia ny fahatrarana rongony tamin’ny gony am-polony maro, nentina fiaran’olomboafidy sy minisitra ao anaty governemanta, tany Ihosy ny alarobia 4 mey teo. Ny mahagaga tamin’ireo tranga rehetra ireo dia ny fahanginan’ny Tonia mpampanoa lalàna na ny eo anivon’ny Fampanoavana. Sa miafina ao ambadiky ny fanajana ny tsiambaratelon’ny famotorana ? Zava-dehibe anefa ny fanazavana omen’izy ireo amin’ny tranga toy ireny, tsy hisian’ny honohono sy fanenjehana ny hafa ho manely vaovao tsy marina.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT