Telo taona izao no naharetan’ny tolona ho famerenana ny ara-dalŕna.
Betsaka ny zavatra nandalo sy nolalovan’ny tolona tamin’izany. Tsy ny grenady sy ny lakrimozena ihany fa teo koa ny fanenjehana sy ny fanagadrana nataon’ny FAT ary ny famonoana olona. Nangidy tamin’ireo mpitolona ho famerenana ny ara-dalàna miara-dia amin’i Marc Ravalomanana ny fivadiham-pitokisana nataon’ireo mpitarika sasany tao aminy. Teo koa ny fivakisan’ny antoko Tiako i Madagasikara, izay niteraka fivakisan’ny ankolafy Ravalomanana mihitsy aza. Mikasika ireo ampahan’olom-bitsy ireo moa dia nazava ny tenin’ny filoha Ravalomana fa tsy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana na dia niriaria sy nitondra ny anarana aza izy ireo. Mety ho iray ny tanjona fa ny fomba fijery sy fitondrana tolona no tsy mitovy. Izany no niheverana ireo elatra nisintaka ny kianja. Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia nisongadina sy niavaka teny ny vary sy ny tsiparifary. Niova sy miova araka ny zava-misy ny fitondran’ireo mpitarika ny tolona. Tanjona moa ny famerenana ny ara-dalàna, dia eo ny filoha Marc Ravalomanana izay filoha lanim-bahoaka ara-dalàna fa naongana tamin-kery, nampiasana fitaovam-piadiana. Raha vao voasonia ny sori-dalana, ny 17 septambra 2011, dia nanomboka nizara indray ny hevitr’ireo mpitolona ao amin’ity ankolafy ity. Tao ireo nanaiky, satria izay no toromarika avy amin’ny filoha Ravalomanana, tao kosa anefa ireo tsy nankasitraka satria mihevitra fa tsy tokony hiray petsapetsa amin’ny mpanongam-panjakana. Vokatry ny fanasoniavana ny sori-dalana dia niditra amin’ireo rafitra isan’ambaratongany ny olona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ary dia fantatr’ity farany ity tsara izany. Niteraka disadisa teo amin’ireo mpitolona sasany indray koa moa io fidirana ao anaty rafitra io. Tsy niteraka fivakisana aloha izany hatreto na dia eo aza ny tsy fitoviam-pijery amin’ny fomba fitondrana ny tolona. Tato anatin’ny herinandro vitsy izao dia saika ambetin-teny teny amin’ny kianjan’ny Magro ny fanentanana ny olona tsy hizarazara fa hanambatra ny hery hahatongavana any amin’ny tanjona iombonana. Omaly dia somary nafanafana mihitsy ny teny an-toerana.
Niakatra nandray “micro” ny vondrona atao hoe : «Vahoaka Miray». Tsy nitsitsy fitenenana izy ireo tamin’ireo mpitarika izay lasa mpikambana eo anivon’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ny ankamaroany. Mikasa ny hitaona olona hidina eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ity vondrona ity izay manenjika fatratra ireo mpitarika ny tolona amin’izao fotoana izao. Misy ny lamina sy ny drafitra apetraka mialoha ny fandraisana fitenenana, saingy ity vondrona ity, raha ny fanazavana dia tsy mety amin’izay fandaminana izay ka nanahirana ireo mpandrindra ny tolona. Nomena fitenenana ihany anefa izy ireo noho ny demokrasia. Siotsioka no nasetrin’ireo mpitolona nanatrika ny fanentanana satria sokajian’izy ireo ho mpanakorontana ireto andian’olona ireto. Ho an’ireo mpitarika moa dia tsy mbola fotoanan’izany izao. Efa ampy ny ra latsaka teto amin’ny firenena. Mbola amin’ny dingan’ny fifampiresahana izao ny tolona, hoy ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Ralaiseheno Guy maxime, izay nanamafy fa tsy fotoanan’ny fifanilihana izao fa fanambarana ny hery. Ambentin-tenin’ireo rehetra nadaha-teny koa ny fanarahana ny fitsipika izay miainga avy any amin’ny filoha Ravalomanana.
Tsy seza no itolomana ka diso fiantefa sy diso fomba fijery ihany ireo ampahan’olona ireo, hoy ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Randriamamiarizafy Ignace. «Ny tsy fitovian-kevitra tsy tokony hifamonoana na hanagadrana, na handefasana olona hanao sesitany ny tenany any ivelany, na koa hanakatonana haino aman-jery», hoy ihany ingahy Ignace. Ao anatin’ny fanaovana politika dia « izay mendrika sy tsara no aoka handresy», hoy izy. Tarigetra ho an’ny ankolafy Ravalomanana, ary izany no iraka hampanaovina ireo lasa ao anaty rafitra, dia ny fampiharana ny sori-dalana, anisany ny andininy faha-20, ny fampodiana tsy misy fepetra ireo sesitany politika, ny famoahana ireo gadra politika ary ny fanokafana ireo haino aman-jery nakatona sy ny haino aman-jerim-panjakana ho an’ny rehetra.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.