Toa tsy ho vitan’izao fitondrana tetezamita izao mihitsy ny hanaiky ny fanehoan-kevitry ny firehana hafa, raha ny fandinihana ny nitranga teny Ambohijatovo ny talata lasa teo.
Kianja natao hakana fitondrana fotsiny hay ilay notokanana sy natao hoe Kianjan’ny demokrasia ny 17 janoary 2009. Rehefa tonga teo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina dia nakatona ilay izy. Tsy misy sahy midrikina, na iray aza, fa dia manaraka ny baiko avy any ambony fotsiny ireo manampahefana, ka mamorona izao atsanga tsy aman’orana rehetra izao hilazana fa tsy azo anaovana fihetsiketsehana politika, hono, fa efa natokana ho amin’ny zavatra hafa ny eo Ambohijatovo. Tsy misy maharatsy ny fivoarana sy ny fandaminana mihitsy, fa raha tena vonona amin’ny fanovana marina ny filohan’ny tetezamita araka ny nampanantenainy, dia tokony ho sahy manapa-kevitra, mamela malalaka ny olona haneho hevitra sy hilaza ny hitany fa tsy rariny, ao amin’ny Kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo, araka ny fahitan’ny maro azy.
Raha toa moa ka tsy mety intsony ao amin’io toerana io, noho ny antony ara-teknika, na noho ny resaka filaminana, dia tokony hanolotra toerana hafa, atao Kianjan’ny demokrasia ny fitondrana. Tsy misy izany olona ka hoe tampotampoka teo, dia hikorontana sy hamaky magazay na hanimba ny voninkazo eny amoron’arabe. Matoa mitranga ireny fihetsika ireny dia izay sisa no fomba hahafahan’ny olona maneho hevitra, satria mihenjana loatra ilay fitondrana ary tsy te hahalala ny tsy mitovy firehana aminy mihitsy. Tsy ny Malagasy irery no mikorontana rehefa poretina sy fehezina mafy loatra, fa ny olombelona rehetra, eny fa na dia any amin’ireo firenena efa tena mandroso be aza.
Ary tsy misy koa izany hoe haneho hevitra any anaty lava-bato, na amin’ny toerana faran’ny lavitra izany, fa mba eny amin’ny toerana misy olona sy manakaiky ireo tompon’andraikitra mila tairina no mivory. Azo atao tsara koa anie ny mamela ny olona hiditra ao Ambohijatovo dia atao hentitra fotsiny ny fiambenan’ny polisy sy zandary ety ivelany, na ao anatiny ihany koa, ary izay mitady hanakorontana kosa tonga dia samborina avy hatrany. Fanao any amin’ny firenena maro izany, ka nahoana moa no tsy mety eto ? Hoy indrindra ny mpanara-baovao politika iray, sendra tafaresaka taminay hoe : “fahavononana ara-politika avy any amin’ny mpitondra no maha matotra haingana na tsia ny fampiharana ny demokrasia, fifampitaizana io, fa tsy misy mahay an’io avy any an-kibon-dreniny izany, ka enga anie ka mba hiova ho any amin’ny tsara kokoa ity fanaovana politika eto amintsika ity, fa tsy ho resabe fotsiny ireny kabary tamin’ny 2009 ireny …”
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.