Politique

Kianjan’ny demôkrasia «Décidé» ny Free FM


  • Alarobia 16 Mey 2012

Mihazakazaka ny toe-draharaha, taorian’ny nivoahan’ny didim-pitsarana, teo anivon’ny fitsarana ady maika, manidy tsy ho azo idirana ny tanin’ny SITRAM etsy Ankorondrano, izay toerana iaingan’ny onjam-peo Free FM amin’izao fotoana.

 Tohin’ny ady ifanolanan’ny mpandova an-dRazafimahaleo Herizo sy ny Edgard Razafindravahy, tompon’ny orinasa SITRAM izy ity. Raha tokony ho notanterahina omaly tolakandro avy hatrany io didy io dia nanao fanohanana ka nampiakatra ny raharaha amin’ny ambaratongam-pitsarana ny Free FM ka tsy natao. Nanamafy izany rahateo ny Me Rakotomihamina Voahangy, mpisolovavan’ny orinasa SITRAM, miandry ny didy amin’ny 23 mey indray. Tsy nijanona teo anefa ny raharaha satria dia niverimberina tao amin’ny onjampeon’ny Free FM halina fa dia misy fikasana hanakatona ity radio tsy miankina ity, araka ny loharanom-baovao voarain’ireo mpanao gazety mpanentana ny fandaharana “Anao ny fitenenana” ao. Halina na mety ho amin’ity anio ity no hitrangan’izay raha ny fanazavana re nivantana tao amin’ity onjam-peo 104.2 FM ity. Tokony ho tamin’ny iraika ambin’ny folo latsaka fahatelony alina tany, dia nanao fanambarana i Lalatiana Rakotondrazafy izay nanamarika fa mety ho fotoana farany ahafahana mifandre amin’ny FM 104.2 ity, ka nilazany sahady sy nampiomanany ireo manohana ny foto-kevitra ijoroan’izy ireo, fa hidina eny amin’ny Kianjan’ny demokrasia amin’ny sabotsy 19 mey izao hanoherana fanakatonana onjam-peo.

Tsy mila fahazoan-dalana io, araka ny nambarany, satria lesona noraisina tamin’ny 2009 ka hampiharina amin’izao. Raha mikatona ny onjam-peon’izy ireo dia narangarangany fa hohetsehina avokoa ny tambajotran-tserasera rehetra hanentanana io fidinana eny amin’ny Kianjan’ny demokrasia amin’ny sabotsy 19 mey io. Efa norefesiny nandritra ny fankalazana ny tsingerintaona voalohany nijoroan’ity onjampeo ity ny alahady 13 mey 2012 teo rahateo ny olona zakany sy manaraka azy.

“Tsy hihemotra”

Fa basy atifi-kavana ny fanambarana nataon’i Fidèle Razara Pierre io alina io ary narangarangany fa hitaky ny fanalana tompon’andraikitra samihafa mahatonga ny tsy fisian’ny fahalalahana eto amin’ny firenena no aton’io hetsika amin’ny sabotsy 19 mey io. Hentitra i Fidèle Razara Pierre nilaza fa “tsy hangatahana andro ny famerenana ny demokrasia, tsy hangatahana andro ny fametrahana ny fahalalahana maneho hevitra sy hisian’ny fahamarinana eto”. Apetraka eny anjorom-bala ny tsy fifankahazoana, hoy izy, fa hiatrika ny ady amin’ny jadona averin-dRajoelina amin’io. Efa “décidé” izahay, hoy Razara Pierre ka tsy mihemotra ny fidirana eny Ambohijatovo. “Eny an-kianja izahay no hidradradradra ny tsy mety sy ny tsy rariny ataonareo mpitondra”. Nipoitra ary niteny nivantana tao amin’ny “studio” teny Ankorondrano, nanohana azy ireo i Jean Paul Randrianiaina, mpanao gazety, niara-dalana hatrany tamin’i Lalatiana Rakotondrazafy sy Fidèle Razara Pierre. Miakatra, araka izany, ny maripana.

 

Nangonini Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT