Politique

Kianjan’ny 13 mey 1972 Very hasina noho ny fefy natsangana eo Analakely


  • Talata 14 Mey 2013

Tsy nanatitra fehezam-boninkazo tetsy amin’ny Kianjan’ny 13 mai toy ny fanaony isan-taona i Alain Ramaroson tamin’ity taona 2013 ity.

 Araka ny fanazavana nomeny ny mpanao gazety tetsy Anosy omaly dia noho ny fisian’ny fefy napetraky ny tompon’andraikitry ny tanàna ka tsy afahana miditra eo amin’ny toerana nisy ny tsangambato fahiny no antony tsy namparisika azy. Very hasina ity toerana ity, hoy izy, noho io fefy natsangana io. Ny tantara anefa tsy mba fanadino velively, hoy ity CST ity, ka tsy maintsy ho tsarovana tahaka an’ireo ady lehibe voalohany (1914-1918) sy faharoa (1939-1945) ary hampahafantarina ny taranaka faramandimby izany hetsika 13 mey 1972 izany fa raha tsy izany dia ho latsadatsa-poana ny ràn’ny mpiray tanindrazana lavo teo. Tokony ho raketiny amin’ny tsangambato eo amin’ity toerana ity ny anaran’ireo namoy ny ainy marobe tamin’izany taona 1972 izany, hoy izy, izay nilaza fa “tokony ho vonona isika mpiray tanindrazana ary hijoro amin’ny fanohanana ny ady amin’ny tsy rariny ataon’olom-bitsy mitana ny fahefana”.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT