Politique

Ketriky ny PM Mahafaly Olivier Mivoaka tsikelikely ny resaka


  • Alakamisy 09 Febroary 2017

Mivoaka tsikelikely ny marina momba ny fihetsiky ny praiminisitra Mahafaly Olivier nandritra ny lamesa notarihin'ny Kardinaly Pietro Parolin, Sekreteram-panjakan'ny Fiketrahana masina teny Mahamasina ny 29 janoary 2016.

 Re mantsy fa tanjon'ity praiminisitra ity ny haka ny fon'ny katolika, ary te hampiseho amin'ny rehetra ny tenany fa akaiky kokoa an'ity fiangonana anisan'ny matanjaka sy manana olona maro eto Madagasikara ity. Tsy vao tamin'iny fotoana iny ny tenany no niezaka nanatona sy nitady avara-patana tamin'ity fiangoanana ity, fa efa hatry ny ela. Voalaza fa mikatsaka ny hirotsaka hofidiana ho filoha ny tenany amin'ny 2018, ka miezaka maka hatrany ny fon'ireo lehibe sy ny mpino, ary te hanaporofo mihitsy fa tsy tara sy mafana fo ao amin'ny fiangonana, ka nahavita nanaotao foana tamin'ny alalan'ny fandraisana kaominio mifono fanimbazimbana, satria nataony am-paosy izany. Ny tenany rahateo dia tsy mpino intsony satria efa nivadi-pinoana, raha ny angom-baovao natao. Nihevitra izy fa tsy hisy hahatsikaritra ny fihetsiny, saingy ireny fanta-poko fanta-pirenena ireny ny zava-nisy. Na ireo minisitra maro anatin'ny governemanta na ireo mpikamban'ny HVM, dia efa tofoka sy leo amin'ny fihetsiky ny praiminisitra. Manampy trotraka izany ny resaka mandeha amin'ny hoe firotsahan-kofidiany.

MATAHOTRA SY VERY HEVITRA RAJAONARIMAMPIANINA

Efa ela no nandeha ny resaka amin'ny hanoloana an'i Mahafaly Olivier, saingy tsy mbola tanteraka mandrak'ankehitriny. Nitana anjara toerana lehibe sy nampahazo vahana ny antokon'ny fitondrana ity praimisitra sady minisitry ny atitany ity. Izy no lohalaharana tamin'ny fiketrehana ny pitsopitsony, toy ny lalàm-pifidianana sy ny kajikajy rehetra nentina nampandresy ny HVM tamina fifidianana maromaro nifanesy teto amin'ny firenena. Tambiny noho ny zava-bitany tamin'ny mikimaky isan-karazany nampandresena ny HVM ny nanendrena ny tenany ho eo amin'ny toeran'ny praiminisitra. Azo ambara ho tompon'ny fanalahidy amin'ny paikady hoenti-mandresy amin'ny fifidianana ny tenany, ary efa manomboka mandeha irery. Very hevitra tanteraka i Hery Rajaonarimampianina satria ny namana maro ao an-dapa manery ny handakana an'i Mahafaly Olivier kanefa ny filoha mbola te hampiasa azy na dia hiara-kiketrika ny 2018 ihany aza. Efa manomboka mampiseho ny hambom-pony ihany koa anefa i Mahafaly Olivier ary manomboka mihantsy sy manaporofo fa afaka mandeha irery, ka tsy hay izay hiafaran'ny gidragidra ao an-dapa ao. Samy miandry izay hiseho ny rehetra.

Toky R

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT