Mifandray amin’ny firenena 182 sy fikambanana iraisampirenena 31 ny Fiketrahana Masina ao Vatican, hoy ny kardinaly Pietro Parolin nandritra ny famelabelaran-kevitra nataony teny Mandrimena Andoharanofotsy omaly.
Manintona manokana ny ekipan’ny Papa Ray Masina François kosa ny hain-tany mianjady amin’ny mponina efa ho 3 taona izao ao Atsimon’i Madagasikara, iray amin’ireo firenena mpiara-miasa amin’ny fanjakan’i «Saint-Siège». Fitaovana fampiasan’ny Eglizy Katolika Romana ny antsoina hoe «doctrine sociale» fa ny Malagasy ihany no afaka mamaha ny olana misy ao amin’ny fireneny, hoy ity sekreteram-panjakana ao Vatikana ity. Fototra kosa ny finiavana politika hanatanteraka izany izay miankina betsaka amin’ny fifampiresahana mandavantaona, ny firaisankina ary ny fihavanana. Tsy ho marin-toerana anefa ireo andrimpanjakana antoky ny fampandrosoana raha tsy misy ny filaminana sy fahalemana miaraka amin’ny fanavaozana ny tontolo sosialy sy toekarena eo anivon’ny fiarahamonina, araka ny fanamarihan’ity tompon’andraikitra faharoa ao amin’ny Fiketrahana Masina any Vatican ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.