Tontosa ihany, tamin’ny zoma, ny fifidianana ireo Kestora roa ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita na dia teo aza ny disadisa kely teo amin’ireo mpikambana sasantsasany nialoha izany.
Nanjaka tokana ny Kestora mirahalahy rehefa niala an-daharana ny mpifaninana tamin’izy ireo avy. Niverina amin’ny toerany avokoa izy ireo. Misaotra ireo CT namana mbola nametraka fitokisana aminay, hoy ny Kestora 1 Jean Michel Henri. Mihamora ary halakilaky ny asa ato, hoy izy, satria tsy hisy famindram-pahefana atao. Ny fijerena ny karaman’ireo CT sy ny fampodiana azy amin’ny fiafaran’ity fotoam-pivoriana ara-potoana ity izay hifarana ny 16 desambra izao no asa miandry, hoy izy. Mitombo ihany ny asa amin’izany satria mitombo avo roa heny ireo mpikambana. Nomarihan’ity Kestora ity fa tolokevitry ny antoko TGV misy azy ny tokony hizarana amin’izay isan’ny CT ao na firy na firy fa tsy hisy fampitomboana volam-panjakana izany. Ny filankevitry ny governemanta ihany anefa, hoy izy, no tena mamaritra ny taha amin’ny alalan’ny didim-panjakana ka ho hita eo fa miandry izahay vao mandamina ny karama. Nomarihany fa efa tapitra voaloa avokoa ny tombontsoa tokony ho nomena ireo parlemanta tsy tafaverina intsony tamin’ny toerana tamin’ny fiatrehan’izy ireo ny fivoriana tsy ara-potoana farany teo.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.