Politique

Karama 2017 Miiba 0,1% amin’ny vidim-piainana


  • Alatsinainy 23 Janoary 2017

Mitentina 85,2 miliara ariary ny bolongambola fanitsiana ny karaman’ny fonksionera voasoratra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2017 taorian’ny fampitomboana ho 7% ny mari-karaman’ny mpiasam-panjakana amin’ity taona 2017 ity

Mitentina 85,2 miliara ariary ny bolongambola fanitsiana ny karaman’ny fonksionera voasoratra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2017 taorian’ny fampitomboana ho 7% ny mari-karaman’ny mpiasam-panjakana amin’ity taona 2017 ity izay efa nanaovan’ireo teknisianin’ny minisiteran’ny Fitantanana fanadihadiana sy kajy niaraka tamin’ny fakan-kevitra sy toromariky ny mpamatsy vola iraisampirenena tamin’ny taon-dasa. Amin’ny ankapobeny dia ilaina mihoatra ny tahan’ny fidangan’ny vidim-piainana ny salan’isan’ny fisondrotan-karama mba hitarika harinkarena faobe miabo. Eo amin’ny 7,1% ny fiakaran’ny vidim-piainana taona 2017 raha 4,5% kosa ny fiabon’ny harinkarena. Raha tsorina dia miiba 0,1% amin’ny fitombon’ny vidim-piainana ny tahan’ny fiakaran’ny mari-karaman’ny mpiasa Malagasy tamin’ity taona ity. Tsy nihoatra ny 7,5% rahateo ny fiakarana tao anatin’ny 3 taona farany nandritra ny fitondrana Rajaonarimampianina. Nahatratra 12% kosa ny tahan’ny fisondrotry ny karama nandritra ny fitondrana Ravalomanana. Niezaka nitazona ho 10% io salan’isa fiakaran’ny vidin-katsembohan’ny mpiasam-bahoaka io ny fitondrana tetezamita.

Ramano F.  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT