Tsy milamina ny fomba famenoana ny kara-pifidianana ao Antsirabe raha ny zava-misy ao amin’ny Fokontany Tsarasaotra Antsirabe voalohany no jerena. Nahatsikaiky mantsy fa olona nipetraka nandritra ny folo taona tao dia any anatin’ny lisi-pifidianan’ny Fokontany Tsivatrinikamo indray no voasoratra anarana.
Voasoratra mazava ao anatin’ny karne fanisana ny datin’ny 05 oktobra 2012 anefa ny mombamomba ny olona nipetraka tao amin’ny trano misy azy, ary ananany sosona ho porofo izany. Tsy nahazo kara-pifidianana nefa ireo olona ireo ka nasain’ny lehiben’ny Fokontany nandeha tany amin’ny CED. Akory anefa ny hagagana fa lasa any amin’ny Fokontany Tsivatrinikamo indray ny anaran’ireo olona ireo ary nisy karine vaovao tamin’ny datin’ny 29 aogositra 2013 nampidirana azy ireo amin’ny lisitra fanampiny, izay tsy sonian’ny tompony no ao fa sandoka. Nambaran’ny filohan’ny CED fa ny mampiditra fotsiny ny lisitra no asan’izy ireo fa ny lisitra fanampiny dia ny Fokontany no manao izany ka tsy misy azony atao intsony. Teto dia voaporofo indray fa anisan’ny olana ny lehiben’ny Fokontany miditra amin’ny politika satria efa notanterina teto fa mpanohana kandida minisitry ny tetezamita ny lehiben’ny Fokontany Tsarasaotra ary ireto olona voakasika ireto dia fantany tsara fa mpanohana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana avokoa ka dia efa nomanina ny fanilihana azy ireo tsy hifidy ao amin’ny fokontaniny. Ho hita eo moa ny fanazavana omen’ny CER amin’ity maraina ity fa ny azo antoka aloha dia tsy afaka hifidy ireto Zanak’i Dada ireto ny 25 oktobra izao. Toerana samihafa eto amin’ny Nosy no ahitana tranga toy io.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.