Politique

Kapila efa nandeha


  • Zoma 02 Septambra 2011

Ny omaly tsy niova ny paikadin’ny FAT, ary efa nampoizina ihany ny fanambaran’ny filohany.

 Ny sarety no lasa mialoha ny omby ary mifangarika ny zavatra ambara sy atao. Ho avy indray izany ny fanaovan-tsonia tahaka ny natao teny Ivato tamin’ny 9 martsa tamin’ity taona ity. Nambara ho ren-tany ren-danitra tamin’izay fotoana izay fa ny Ankolafy rehetra no nanao rangopohy ilay sori-dalana ary dia miroso izany ny dia, noesoesoina ny Ankolafy 3 mitolona eny amin’ny Magro izay nambara fa efa mirediredy ary tsy mahazaka vahoaka intsony, natsangana ilay governemantan’ny firaisam-pirenena. Mikatso ihany anefa ny raharaha, enim-bolana aty aoriana. Nirehaka anefa ny FAT sy ireo mpanara-dia azy fa hiainga ny sambo ka izay tsy miditra ao anatin’izany dia ho tavela eto. Tsy hita be ihany anefa ilay hoe hiainga sy handroso.

Maro mihitsy no manomboka mieritreritra ankehitriny fa iharan’ny sangodim-panina ihany koa ary tena tavela ao afovoany Atoa Andry Rajoelina. Tsy avy any ivelany intsony ny mpanohitra fa efa tafiditra ao an-dapa, koa tsy mahagaga raha tsy mety tafainga ny sambo. Rariny sy hitsiny raha tezitra sy malahelo ny amin’ny nampidirana anatin’ny fanjakana ireo mpanao politika mampiahiahy ireo nitolona nanohana an-dRajoelina, satria maro be ireo feo mandeha ny amin’ny fisian’ny sabôtazy avy ao anatiny. Nambara fa ny vahoaka no nametraka ny FAT, averimberina fa misy ny vola, fihetsiketsehana izany ataon’ny manampahefana izany na eto an-toerana na any ivelany, saingy ny eo ihany no eo.

Tsy mety tafavoaka ny baolina, efa hain’ny olona tsianjery ny kabarin’ny filohan’ny FAT ary tsy azo atao hoe vaovao intsony fa efa tonta. Kapila goaka, hoy ireo be vazivazy. Miha mitombina ihany ilay vinavina hoe : mety tsy hisy fifidianana izany amin’ity taona ity raha ireny fanambaran’i Andry Rajoelina ireny no dinihana, datim-pifidianana no nandrasan’ny maro, resaka fanasoniavana sori-dalana indray no nivoaka, koa raha mbola haharitra iray na roa volana moa ny fifandresen-dahatra mialoha an’io sonia io, dia ahoana ? Atao anaty fahavaratra izany ny fifidianana. Fanovana no atao, kanefa toa ny teo aloha ihany no miverina. Efa maro amin’izao fotoana ireo nitolona tamin’ny 2009 no kivy sy diso fanantenana satria ingahy Marc Ravalomanana aza ity toa hiverina eto an-tanindrazana ary hita fa tena mbola matanjaka ara-politika sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy mbola mahatohitra azy ny FAT na dia tohanan’ny Frantsay mafy aza. Ary vao mainka manaratsy endrika izao tetezamita izao ny ady an-trano eo amin’ny samy manampahefana, tsy matotra ary tsy mendrika ny ho mpitondra ny ankamaroan’ireo nahazo toerana ary tena fanetriben’ny firenena sy manala baraka ny Malagasy fotsiny.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT