Nandefa taratasy miantefa amin’ny fanjakana Malagasy ny Ambasadaoron’i Kaomoro eto Madagasikara amin’ny fahafahan’ilay vehivavy kaomorianina Akibati Mouderé nahiana ho tratry ny Coronavirus tonga teto Madagasikara.
Raha hiverenana ny tantara, tonga teto amintsika tamin’ny alalan’ny sidina MD 051 an’ny Air Madagascar izy io ny alahady maraina teo. Nafana be teo am-pahatongavana ka nahiana ho tratry ny coronavirus. Nalefa avy hatrany teny amin’ny hopitaly Anosiala Ambohidratrimo narahi-maso. Nandritra ny fitondrana azy no nisian’ilay tranga nampitsoaka ilay mpitondra fiara fitaterana marary sy ireo mpitsabo fa sao hifindran’ilay aretina. Rehefa natao ny fitiliana samihafa dia voamarina fa tsy tratran’ilay aretin-doza izy fa tazo no nahazo azy. Noho izay indrindra dia nanao fanambarana ny fanjakana Kaomorianina. Nisaotra ny fanjakana teto an-toerana nandray an-tànana sy nikarakara ity terataniny ity nandritra izay andro vitsy izay. Tranga niteraka resabe teto amin’ny firenena izy io ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny Coronavirus kosa dia efa tafiakatra 490 no maty any Chine izao ary maherin’ny 24 000 no mitondra ilay tsimokaretina. 27 no firenena efa misy azy, ka ny roa tamin’ireo efa nisy trangana fahafatesana. Ankoatra ny hopitaly goavam-be vita tao anatin’ny 10 andro, dia efa misy ihany koa ankehitriny ny “drones” manidina afaka mijery ny hafanan’ny olona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.