Politique

Kaomisera Rabearisoa Alexandre Hafindra toerana any Morombe ?


  • Talata 11 Septambra 2012

Taorian’ny nisintonan’ny ministeran’ny filaminana anatiny teo anivon’ny Kaominina ny Kaomisera prinsipaly Rabearisoa Alexandre hiverina avy hatrany eo anivon’ny fianakaviamben’ny polisy, nanomboka ny talata 04 septambra teo, noho ny asa ilana azy dia mandeha ny resaka ankehitriny fa dia misy ny fikasana hamindrana toerana ity kaomisera ity ivelany lavitra an’Antananarivo, mety ho any Morombe, Faritra Atsimo Andrefana.

 “Tsy hahagaga azy raha miseho izany”, hoy ireo akaiky azy. Ireto farany izay nampahatsiahy fa “taorian’ny fionganan’ny fitondrana Ravalomanana dia efa nahazo famindran-toerana tany Toliara ny Kaomisera Rabearisoa Alexandre nialoha ny nahavoatendry azy ho talen’ny Kabinetran’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo ny aogositra 2009”. Mbola any Antsiranana any ny Kaomisera Rabearisoa Alexandre amin’izao fotoana, nitarika ekipa nifanome tanana tamin’ny mpikarakara ny JMJ na Andron’ny tanora katolika andiany faha-7 notanterahina tany an-toerana ny 5-10 septambra teo, araka ny fangatahana fiaraha-miasa nataon’ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Razanakolona Odon Marie Arsène, ka mety ho rahampitso alarobia vao higadona eto an-drenivohitra.

Araka ny loharanom-baovao akaiky azy, dia “efa nametra-pialana tsy ho talen’ny kabinetran’ny CUA ny Kaomisera prinsipaly Rabearisoa Alexandre, nialoha ny nisintonan’ny ministeran’ny filaminana anatiny azy hiverina any amin’ny fianakaviamben’ny polisy”. Araka io loharanom-baovao io ihany dia “manam-pikasana ny hisaotra ny vahoakan’Antananarivo izy tamin’ny fiaraha-miasa sy fifampitantanana ary fifampitaizana nahafahana nanatsara miandalana ny tanànan’Antananarivo tao anatin’izay telo taona naha teo azy izay” ny Kaomisera Rabearisoa Alexandre.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT