Politique

Kaomisera Nakany Charlie Nesorina tsy ho talen’ny DST


  • Zoma 13 Jolay 2012

Niova ny fitantanana eo anivon’ny DST (Direction de la Sécurité du Territoire).

 Nofoanan’ny fiadidiana ny tetezamita, omaly, ny didim-panjakana nanendry ny Kaomisera Nakany Charlie ho talen’ny DST, araka ny fampitam-baovao laharana 129-P.T/SGP/COM ny 12 jolay 2012. Araka io fampitam-baovao io ihany dia notendrena hisolo toerana azy vonjimaika ny Kaomisera Samy Harison Olivier. Tale lefitry ny DST tao ihany ity farany, ary isan’ireo ofisie vao nasondrotra ho amin’ny laharan’ny Kaomisera farany teo.
Ny Kaomisera Nakany Charlie, tsiahivina ihany no voalohany nanankinan’ny fiadidiana ny tetezamita ny DST hatramin’ny nananganana azy ny 24 febroary 2010. Maro ny raharaha nahitana ny dian-tanany, izay mazàna niteraka resabe teto amin’ny firenena ny fanatanterahana azy. Anisan’izany ilay fipoahan-javatra teny Marais Masay tamin’ny fotoana nandalovan’ny fiarakodia nitondra an’i Andry Rajoelina hamonjy fodiana eny Ambatobe, tamin’ny martsa 2011, izay niampangana an’i Mamy Rakotoarivelo ho nifofo ny ain’ity filohan’ny FAT ity.

Teo koa ny fisavana ny Tiko Sambaina, ny jolay 2010, nolazaina fa nanafenana “bois de rose”, toy izany koa ny tranon’i Tojo Ravalomanana zanaky ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, tao Manjakatompo Andranomanelatra Antsirabe ny febroary 2012, ka niampangana itsy voalohany ho manao trafikana rongony sy mitahiry fitaovam-piadiana, ary nampifandraisina tamin’ny firongatan’ny tsy fandriampahalemana tany Antsirabe. Vao tsy ela fa ny volana mey 2012 teo no nahavoasoketa ny minisitry ny jono, Manoriky Sylvain, ho nampakatra teto an-drenivohitra ka nitahiry tao an-tranony teny mpimasy roa avy any Toliara, izay nahiana ho mifofo ny ain’i Andry Rajoelina ihany koa. Teo koa ny resaka basy hita tamina vazaha tany Antsiranana tany (aprily 2012) sy tany Moramanga (aogositra 2011) ary tetsy Andraharo (aprily 2012) ihany koa, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Nanaovana fanambarana nipoapoaka ny fahitana sy ny fisamborana olona voarohirohy tamin’ireo raharaha ireo, saingy very anjavony tsy fantatra ny tena niafarany. Fa anisan’ny niteraka resabe an-gazety sy tamin’ny onjam-peo ny fisiana teratany Karana, voalaza fa manana karatra maha mpanolotsaina ao amin’ny DST azy. Tao anatin’ny fanadihadiana manodidina ny famonoana ny jeneraly zandary Ramananarivo Claude sy ny vady aman-janany teny Andohan’i Mandroseza sy “steward” teny Analamahitsy teny, no sarona io Karana io, ary tazomina vonjimaika any Tsiafahy amin’izao fotoana.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT