6.000 isa mahery ireo kandida ben’ny tanàna ary 5.000 eo ny mpanolotsaina amin’izao fifidianana izao,
hoy ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy, Gérard Ramamimampionona. Sarotra noho izany no hahita azy rehetra ary eo koa ny enti-manana. Izay afaka nampanao sonia toy ny tao Itasy, Vakinankaratra, Analamanga no nanao. Ny tany Bongolava izao tsy afaka nampanao sonia noho ny tsy fahampian’ny enti-manana. Toy izay koa ny tao Toamasina. Saika nampanao sonia amin’ny ankapobeny ny faritra Alaotra, Atsinanana, Analanjirofo, Anosy. Anaty fanangonana ny vokatra ny komity mpandrindra ankehitriny. Ny tsara marihina dia saika nanao sonia avokoa ny 90%-n’ireo nahita iny teny ierana hanompo vahoaka iny saingy teo amin’ny fanaparitahana azy moa no olana, hoy hatrany ity filoha ity. Raha fintinina ny takiana ho ekena ao anatin’ity teny ierana ity dia ben’ny tanàna manaja zon’olombelona, manaja lalàna ao anatin’izany ny andininy 2014-020, manaja ny soatoavina Malagasy ary indrindra mametraka fa ny fampandrosoana ifotony no fanoitry ny fampandrosoana. Hifarana ity ny propagandy ary ny CFM dia manome toky, hoy izy, fa ho hitan’ny malagasy eo ny ezaka ataony hametrahana fitoniana politika toy ny famerenana amin’ny laoniny ny fiarahamonina Malagasy amin’ny alalan’ny fanaovana ho filamatra sy fampahafantarana ny fiarahamonina ao amin’ny kaominin’Andriambilany, distrikan’I Vakinankaratra, raha ny nambarany hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.