Politique

Kaominina Toliara I Raikitra ny fandravana trano sy tsena tsy ara-dalŕna


  • Alakamisy 23 Jona 2016

“ Tsy narodana fotsiny amin’izao ireo trano ireo fa efa nisy ny fifampiresahana mialoha tamin’ireo iharan’ny fandravana.

 

 Efa nanomboka ny volana jolay 2015 no nisy ny fanisana ireo mpivarotra amoron-dalana mba hanonerana ireo laniny tamin’ny fanamboarana ny tsena “, hoy ny tompon’andraikitra. Raikitra ny fandravana ireo trano sy tsena miorina tsy ara-dalàna eny amoron-dalana ao Toliara tampon-tanàna. Narodana avokoa ireo trano tafiditra amin’ny arabe izay miorina ambanin’ny roa na telo metatra. Raha ny fantatra, araka ny fanazavana azo, dia natomboka tao amin’ny fokontany Sanfily hatrany Mahavatse ny fandrodanana ireo trano tsy manara-dalàna, ary hitohy amin’ny lalana Amorondriaka mihazo an’Andaboly any amin’ny lalana Rn9 iny ny fandravana trano, noho ny fanitaran-dalana tsy maintsy hatao, mba hirosoana amin’ny fampandrosoana  ny kaominina ambonivohitr’i Toliara sy ho fanatsarana ny tanàna.

Eric R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT