Politique

Kaominina Talatamaty Efa mazoto mandoa hetra ny mponina


  • Zoma 06 Janoary 2017

Tsy toy ny teo aloha intsony fa efa tena mazoto mandoa hetra ireo mponina ao amin’ny kaominina Talamaty raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rado Razafindratsimba.

Ny 70 %-n’ny mponina mantsy no efa tena mandray anjara mavitrika amin’izany ankehitriny, vola izay entin’ny kaominina hanamboarana foto-drafitrasa hanasoavana ny mponina manerana ny fokontany 12  fa tsy sanatria  verivery foana akory. Na izany aza anefa dia nambaran’ny Ben’ny tanàna  fa mbola mila ezaka be izany hahafahana tena mampandroso tanteraka ny tanàna. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa hiroso amin’ny hetsika manokana amin’ny fampanarahan-dalana izay rehetra manorina trano ao amin’ny faritra iadidiany ny kaominina Talatamaty. Tafiditra ao anatin’izany ireo  manorina tsy nahazoana alalana na koa nanitatra nefa tsy naka fahazoan-dalana teny anivon’ny kaominina. Ny mba hahafahan’ny isan-tokantrano mandoa hetra ara-dalana eny anivon’ny kaominina no tanjona. Tsiahivina moa fa tsy nanadino ireo zokiolona miisa 700 manerana ny Fokontany  sy ireo  fianakaviana sahirana 700 tokantrano  ity kaominina ity nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona lasa teo. Toraka izany koa ireo mpiasan’ny kaominina miisa 200 izay notolorana fotsim-bary sy akoho niampy menaka sy vatomamy sy bisikoitra.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT