Politique

Kaominina Moramanga Lasan’ny TIM ny toeran’ny Filohan’ny mpanolotsaina


  • Alarobia 25 Aprily 2012

Miatrika fivoriana ara-potoana ny Filankevitra monisipaly ao amin’ny Kaominina Moramanga.

 Nanomboka ny alatsinainy 23 aprily teo izany, ary haharitra folo andro. Lahadinika ny fifidianana ny filohan’ny mpanolotsaina monisipaly mandritra ity taom-piasana 2012 ity, eo koa ny tetibola fanampiny ary ny kaontim-pitantanana ankoatra ny resaka samihafa. Ny andro voalohan’ny fivoriana no nifidianana filohan’ny mpanolotsaina monisipaly ka voafidy tamin’izany i Fidimanantsoaniaina Robinson Crusoé, izay mpitarika ny Tanora Tiako i Madagasikara ao Moramanga, nahazo vato 3 amin’ny 6 nandatsa-bato. Miisa 8 ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra monisipaly ao amin’ny Kaominina Moramanga rehefa voatendry ho sefo Fokontany ny iray tamin’izy ireo, satria 9 teo aloha, ka TIM ny 3 amin’izy ireo. Filoha lefitra Rakotoarimanana Charles (Tsy miankina), ity farany dia filohan’ny Filankevitra monisipaly nandritra ny taom-piasana in’efatra nisesy izay. Voafidy ho mpampakateny voalohany sy faharoa kosa Rakotonanahary de Rosin sy Mihajarivo Randrianasolo.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT