Mandŕ ny hiara-miasa amin’ny PDS Sileny Alban ireo mpiasa mitokona miisa 62, ao amin’ny Kaominina Manakara.
Manamafy ny fitakiany izy ireo ny hanendrena PDS vaovao faran’izay haingana mba hikarakaran’izy ireo ny antontan-taratasin’ireo mpianatra hanomana fanadinana. Ireo no fanambaran’ny mpiasa taminay taorian’ny fihaonana nisy teo amin’ny mpiasa rehetra mitokona sy ny iraka manokana avy amin’ny ministeran’ny atitany, tamin’ny alalan’ny Talen’ny lafintany, Mahafaly Olivier sy ny Lehiben’ny Distrikan’i Manakara, Nomenjanahary Tafita Sareine ny zoma 09 martsa teo. Naharitra ora telo ny fihaonana nihainoana ny hetahetan’ny mpiasa ka namantarana ny fototr’izao fitokonana ka mampikatso ny asa ao amin’ity Kaominina renivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany izao. Notsorin’ireo mpiasa fa tsy zakan’izy ireo intsony ny PDS ka mahatonga azy ireo tsy te hiara-miasa aminy intsony. Taorian’izay dia nihaona tamin’i Sileny Alban ihany koa ity iraky ny ministeran’ny atitany ity ka tamin’izay koa no nilazan’ny PDS fa hosokafana ny biraon’ny Kaominina, anio alatsinainy, ka izay te-hiasa dia miasa, izay tsy te-hiasa kosa aoka ho eo amin’ny Kianjan’ny demokrasia no manohy ny fitokonany, izany hoe eo anilan’ny Lapan’ny tanàna.
Na eo aza ireo rehetra ireo dia nisy ihany ny fandresen-dahatra nataon’ny Talen’ny lafintany tamin’ireo mpiasa mitokona nandritra ny fihaonan’izy ireo, ary hita fa resy lahatra ny amin’izay ireo mpitokona satria nahay ny mpandresy lahatra kanefa vokatry ny fandrahonana sy fampitandremana nataon’ny PDS ny mpiasa iray izay mitokona no nampiverina indray ireto mpiasa ireto amin’ny fanapahan-kevitr’izy ireo tsy hiasa mihitsy raha tsy miala ao amin’ny Lapan’ny Tanàna ity olona fototry ny fitokonan’izy ireo ity. Manaraka akaiky ity raharaha ao amin’ny Kaominina ity moa ny vahoaka ao Manakara na tsy dia ahenoana feo aza, ary miandry ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana mba tsy hampiitatra ny raharaha.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.