Politique

Kaominina Mahajanga Ho kandida Ben’ny tanŕna i Ahmad ?


  • Zoma 06 Janoary 2012

Tamin’ny zoma farany tamin’ny taona 2011, tamina hotely iray tao Mahajanga, araka ny loharanom-baovaonay, no nivoahan’ity resaka ity.

 “Tsy misy an’izany fa resaka izany. Tsy mbola izao no firesahana an’izany”, hoy i Ahmad raha nanontaniana mikasika an’ity feo re ity. Eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, ny sehatry ny baolina kitra indrindra indrindra no ahafantarana an’i Ahmad. Izy rahateo no filoha am-perinasan’ny federasionan’ny kitra Malagasy. Tato anatin’ny fotoam-piasany no nahavitana kianja sentetika voalohany, dia ny Kianja Rabemananjara ao Mahajanga. Na izany aza dia tsy mbola nandingana ny oseanina Indianina, na ny faritra faha-7 misy antsika ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra amin’izao fotoana. Izay tsy fahombiazana tao amin’ny sehatry ny fanatanjahantena izay, no harenina any amin’ny politika ?
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT