Politique

Kaominina Ivato Voatendry ny sefom-pokontany vaovao ao Mandrosoa


  • Sabotsy 26 Aogositra 2017

Voatendry ny sefom-pokontany vaovao ao Mandrosoa, kaominina Ivato.

 Ny faran’ny herinandro teo, raha araka ny fanazavan’ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna Rakotosolo Albert Clement, no tonga teo am-pelatanan’izy ireo ny didim-pitondrana avy amin’ny lehiben’ny distrika nahafahana nanatanteraka izany.  Tsy misy idiran’ny politika no nanatanterahana ny fanendrena, tsy misy idiran’ny halako bika tsy tiako tarehy ihany koa fa noho ny resaka fandaminana hahafahana mampandroso ny tanàna. Na izany aza, hoy Rakotosolo Albert Clement dia mbola afaka miara-miasa amin’izy ireo hatrany ilay sefom-pokontany teo aloha hisian’ny fampandrosoana tena izy. Nomarihiny manokana fa misy ny fitsipi-pifehezana tsy maintsy arahin’ny sefom-pokontany rehetra manerana ny Nosy na iza izy na aiza. Ny Ben’ny tanàna no Raiamandreniny mametraka izany, fitsipika izay tsy maintsy arahi-maso akaiky, hahafahana mamaly ny filan’ny vahoaka eny ifotony. Tsiahivina moa fa miisa enina ny fokontany mandrafitra ity kaominina iray ity raha mahatratra 55.000 ireo mponina ao aminy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT