Nisy ny fangatahan’ny mponina ny amin’ny hananana fokontany vaovao satria lehibe loatra ny fokontanin’ny tobin-tseranam-piaramanidina Ivato teo aloha izay iray tao anatin’ny kaominina.
Nahavelon-taraina sy tena manahirana ny mponina ny fikarakarana taratasy, indrindra mahakasika ny lisi-pifidianana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ireny. Araka izany dia nangataka ny mponina mba hatao fokontany ireo faritra 7. Rehefa izay dia nandefa ny fangatahana teny anivon’ny fitondram-panjakana ny ben’ny tanànan’Ivato ary nivaly ka nivoaka ankehitriny ny didim-panjakana mamaritra fa misy fokontany 7 vaovao ao anatin’ny kaominina Ivato. Raha atotaly dia miisa 13 amin’izao ny fokontany ao anatin’ny kaominina Ivato ary efa voatendry tamin’ity herinandro ity daholo ny lehiben’ny fokontany miaraka amin’ireo lefitra. Efa hita soritra ihany koa ny hametrahana ireo toerana asiana ireo fokontany vaovao ireo ary efa am-pikarakarana ny entana sy ny kojakoja ampiasaina amin’izany ny kaominina sy ireo tompon’andraikitra rehetra. Ny andraikitra maika indrindra hiantsorohan’ireo fokontany ireo dia ny fanamboarana sy ny fanavaozana ny lisi-pifidianana noho ny fitarainana marobe ary azo hiomanana tsara, hoy ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna, Manitra Andrianjakarivony noho ny fanemorana ny fifidianana izay tokony hatao ny 20 martsa ho avy izao. Ambonin’izany ihany koa ny fanakaikezana kokoa ny mponina sy ny fitsinjovana azy ireo ny amin’ny fikarakarana taratasy ataony.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.