Mihazakazaka ny asa fanamboarana fotodrafitrasa entina hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro ho an’ny kaominina Ivato.
Raha ny fantatra dia efa vita tanteraka ny asa fanavaozana ilay CSB II ao an-toerana hahafahana mampitombo isa ireo vehivavy mitondra vohoka sy tera-bao manatona azy ireo. Ho vita afaka tapa-bolana ihany koa ilay tranompokonolona ao Mandrosoa efa 50 taona tsy nisy nikarakara ary efa nirodana. Iray volana sy tapany no fe-potoana nomen’ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa hamitany ny asa. Ao koa ny lalana maro entina miatrika ny fotoam-pahavaratra. Tonga nitsidika ny kaominina Ivato, omaly ny lehiben’ny distrikan’Ambohidratrimo, nanara-maso sy nijery akaiky ireo asa vita ireo. Nambarany fa miezaka ity kaominina iray ity, indrindra fa amin’ny lafiny ara-tsosialy izay tena mahakasika ny andavanandrom-piainan’ny mponina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.