Nanolo-tanana ny Kaominina Ivato, vavahadin’i Madagasikara ny fikambanana HAFARI Malagasy amin’ny fanadiovana ny tanŕna.
Nampindrana kamiao telo ny fikambanana ny sabotsy teo nanampiana ny tanàna amin'ny fandraofana ireo fako niavosa teo an-tsenan’Ivato, noho ny fahasimban’ny fiara mpanala fakon’ny Kaominina. Mpiasa an-tselika, 60 teo, mandry 5 000 Ariary isan’andro no indray nahetsiky ny Kaominina nanadio ny tanàna. « Mendrika ny hotohanana ny Kaominina miasa toy ny eto Ivato », hoy ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina. « Mitohy ny fiaraha-miasan'ny HAFARI sy ny Kaominina », hoy kosa ny Ben'ny tanàna Randrianarisoa Penjy tetsy an-kilan’izay.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.