Politique

Kaominina Farafangana Rava maina ny fivorian’ny mpanolotsaina


  • Alakamisy 03 Martsa 2016

Anatin’ny fivoriana ara-potoana ny mpanolotsain’ny Kaominina ambonivohitr’i Farafangana, hatry ny talata teo, ary mandritra ny folo andro. Folo ny lahadinika, ka anisany ny sazy ho an'ny manary fako an-dalambe, ny mikasika ireo trano fandraisam-bahiny sy ny fanaovana karaoke.

Rava maina ny fivoriana omaly alarobia.  Ny antony dia misy ireo mpanolotsaina te hanao tan-droa. Efa voatendry hisahana andraikitra hafa ao amin’ny Kaominina izy ireo, miisa telo, nefa tsy mahafoy ny toerany ao amin’ny Filankevitry ny tanàna.

Manararaotra ny tsy mbola namoahan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana ny fahabangan-toerana ao amin’ny Filankevitry ny tanàna izy ireo ka mikiry. Vokatr’io dia anisan’ireo mpifidy vaventy afaka nandatsa-bato tamin’ny fifidianana Loholona izy telo ireo, satria tsy natokisana ireo tokony hiakatra sao dia tsy voafehy tamin’ny latsabato hataony.

Miisa sivy ny mpanolotsain’ny tanànan’i Farafangana, ka efatra an’ny Hery Vaovao ho an’i Madagasikara, telo avy amin’ny Tiako I Madagasikara ary roa voafidy tamin’ny lisitra MMM.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT