Nafana ny adihevitra tao amin’ny kianjan’ny Magro Avaratsena ny tolakandron’ny sabotsy 24 martsa teo.
Anisan’ny nibahan-toerana tamin’ity fihaonana ity ny akon’ny valandresaka nataon’i Andry Rajoelina tao amin’ny TVPlus ka nilazan’ireo nandaha-teny fa tsy zazakely intsony ny vahoaka Malagasy ka heveriny hovokisana lainga marivo tototra toy ireny hatrany. Raha tena lehilahy izy dia sokafy avokoa ny haino aman-jery ahafahan’ny olona mitafa aminy mivantana toy ireny fa tsy Antananarivo ihany no vahoaka Malagasy, hoy izy ireo. Nanamarika ny fihaonana io sabotsy io ny fisian’ireo delegasiona mafonja, solontenan’ireo very asa avy aty an-drenivohitra nanentana sy nitafa tamin’ny mponina Antsirabe.
Raha nandray fitenenana kosa Rasolonjanahary Sely tiana, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, avy any Antanifotsy dia nilaza nahitsy fa raha toa ka tsy handray andraikitra ny Praiminisitra Beriziky Omer dia tokony hametra-pialana satria mamita-bahoaka tsotra izao nilaza fa ny tondrozotra no mibaiko azy kanefa tsy arahiny sy tanterahiny akory izany na dia efa navadika ho lalàna aza. Midika izany, hoy izy, fa mandika lalàna ihany koa izy. Fa anisan’ny adihevitra nafana ny mahakasika ny fanendrena PDS ho an’ny tanànan’Antsirabe amin’izao fotoana. Nanipika Rakotomiandrisoa Jean Ernest, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana avy ao Antsirabe fa avelao hanaotao foana eo ny FAT mahakasika ny fanoloana ny toeran’ny Ben’ny tanàna Ramalason Olga, ity farany izay voatendry ho minisitra, fa dia hahita zavatra eo izy.
Nahitsy ny teniny fa raha tsy mifanaraka amin’izay tokony ho solon’ny minisitra izany dia hisy raha eto, ary miomana isika vahoaka fa dia ho avy isika amin’izay fotoana izay. Mandeha mantsy ny feo fa olon’ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra sy ny TGV no handray io toeran’ny PDS io. Ataovy raha sahy, hoy izy namarana ny teniny fa izahay tsy hanaiky izany. Hiaraha-mahita eo fa ny fantatray dia TIM no niala teo ary TIM ihany no miverina eo satria ny tompon-toerana dia lasa minisitra fa tsy hoe voaheloka akory.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.