Politique

Kaominina Antsirabe I Nailika ireo filoham-pokontany tsy akama


  • Alarobia 20 Martsa 2013

Mbola mitohy ny fanesorana sefom-pokontany ao Antsirabe renivohitr’i Vakinankaratra. Teo aloha dia ny avy amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara no lasibatra. Manomboka voakasika ihany koa ireo hafa amin’izao fotoana.

 Omaly alatsinainy 18 martsa dia voatery nanao famindram-pahefana indray ny filoham-pokontany Ivory noho ny tery vay manta nataon’ny Distrika taminy ho tsy maintsy manao fametraham-pialana haingana. Raha ny angom-baovao dia voalaza fa vokatry ny fametrahany fanontaniana nandritra ny hetsika fanentanana momba ny fametrahana fandriampahalemana nataon’ny avy ao amin’ny Kaominina sy ny Faritra ary ny Distrika ny andron’ny alakamisy 14 martsa lasa teo no nahatonga izany.

Tamin’io fotoana io mantsy dia nanontany ny tenany momba ny fangatahany fanampiana amin’ny jiro izay efa nampanantenain’ny mpitondra nefa tsy azo. Nambarany ihany koa fa tsy matoky ny fitondrana intsony ny vahoaka noho ny tsy fandriampahalemana tsy azo antoka, ary momba ny tsenan’Asabotsy izay lasa gaboraraka ny fametrahana ireo mpivarotra, izay marihina fa ao anatin’ny Fokontaniny ny ampahany. Tsy niandry ela fa ny harivan’ny alakamisy io ihany dia voaantso teny amin’ny lehiben’ny Distrika ny tenany fa nambara ho namingavinga mpitondra ka io noterena hametra-pialana io. Ankoatra ity tranga tao Ivory ity moa dia re fa mbola misy sefom-pokontany efatra hafa indray hoesorina ato ho ato noho ny antony tsy fandehanan’izy ireo nitsangantsangana niaraka tamin’ny Faritra tany Manakara nanomboka ny alatsinainy 18 martsa teo. Efa mahazatra ny lehiben’ny Faritra moa ity mitondra lehiben’ny Fokontany mivoaka ny Faritra ity ka nisy ireo nanda izany noho izy ireo nilaza fa sahirana ara-pivelomana sy mamelon-tena, saingy nisy ny nantsoin’ny lehiben’ny Distrika avy hatrany ka nanotaniana ny antony tsy handehanany ka voalaza fa efa nahazo fandrahonana avy hatrany fa handraisana fepetra aorian’ny fiverenan’ireo delegasiona lasa any Manakara. Tantara mitohy indray izany ity fanesorana filoham-pokontany ao Antsirabe ity raha izany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT