Politique

Kaominina Antsirabe I Hametrahana PDS TGV ?


  • Alarobia 11 Aprily 2012

Banga efa efa-bolana mahery izao ny toeran’ny Ben’ny tanànan’Antsirabe I, renivohitry ny Faritra Vakinankaratra, taorian’ny nanendrena ny tompon-toerana, Olga Ramalason, ho minisitry ny varotra ao anatin’ny governemantan’ny marimaritra iraisana tarihin’ny Praiminisitra Beriziky Jean Omer.

 Voafidim-bahoaka tamin’ny 12 desambra 2007, tamin’ny lisitra Tiako i Madagasikara Rtoa Olga Ramalason. Ny lefiny no nanao ny fampandehanan-draharaha tao anatin’izay volana vitsivitsy izay. Ankehitriny, hita fototra ny fahabangan-toerana. Nanao tatitra mikasika izany tany amin’ny ministeran’ny atitany ny lehiben’ny Distrikan’Antsirabe I, Razafindrainony Lala Marie Béryl. Raha ny re hatry ny omaly, dia hiroso amin’ny fametrahana izay ho mpitantana vaovao ny Kaominina Antsirabe I ry zareo ao amin’ny atitany. Ny anaran’io lehiben’ny Distrikan’Antsirabe I io no mandeha fa hotendrena ka rahampitso alakamisy 12 aprily no hametrahana azy amin’ny toerany, raha tsy misy fiovana amin’ny ora farany. Izy rahateo efa nanao famindram-pahefana tamin’ny mpisolo toerana azy tamin’ny zoma 06 aprily teo.

Raha ny fantatra dia ny TGV sy ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra no nanosika an-dRazafindrainony Lala Marie Béryl, administratera sivily, ho amin’io toerana io. Ny tsy fantatra hatreto dia ny hoe, izy ihany ve no hotendrena ka ho filohan’ny delegasiona manokana, ary miara-miasa aminy ny ekipan’ny Ben’ny tanàna teo aloha, sa dia hisy lefitra roa hotendrena sahala amin’ny natao tamin’ireo Kaominina efa nanendrena delegasiona manokana tao ho ao izay ? Inona no fihetsiky ny Tiako i Madagasikara, manoloana izany satria dia votsotra eo am-pelatanany ihany izany no niafaran’ny fitantanana ny Kaominina Antsirabe I, rehefa niharan’ny antsojay matetika nataon’ny ekipan’ny FAT tao anatin’izay telo taona nisian’ny krizy teto Madagasikara izay ?

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT