Vaky barara indray ny PDS-n’Antsirabe, Atoa Razafindrainony Lala Marie Beryl raha niresaka tamin’ny mpanao gazety fa tsy araka mihitsy ny fanalana ny fako ao an-tampon-tanànan’Antsirabe amin’izao fotoana.
Nahitsy moa ny filazany fa misedra olana ara-bola ankehitriny ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe noho ny hakelin’ny vola miditra satria ny haban-tsena sy ny hetra tambatra sisa iainan’ny Kaominina amin’izao fotoana, araka ny fanazavany. Asa maro araka izany no tena tsy araka ny manao azy noho izay olana ara-bola izay. Mahakasika ny fako dia hiaraha-mahita fa mitobaka be izany amin’ireny toby fanariam-pako ireny vokatry ny tsy fahafaha-manao intsony satria raha toa ka fiarabe efatra teo aloha no misahana izany dia tsy misy afa-tsy ireo roa tamin’ny fiadidiana ny tetezamita sisa no miasa noho ny olana ara-tsolika. Ankoatra izay dia efa notaterina teto moa fa rara-tany no hanampenana ireo lavadavaka amin’ny arabe eran’Antsirabe dia fantatra fa izay resa-bola izay ihany no antony.
Ankoatra ny solika fampihodinana ny fiara dia mbola olana ihany koa ny momba ny kojakoja ilaina amin’ny fanamboarana ny fiara, hoy hatrany ny fanazavany ary indrindra fa ny karaman’ny mpiasa izay tara lava tato ho ato, ary hifampitadiavana mihitsy ny vola handoavana izany amin’izao fotoana. Tsy tratra, araka izany, ilay fanamby 200% nolazainy fa ho fahadiovan’Antsirabe, izay nanomezany toky ny Filohan’ny tetezamita ny zoma 19 oktobra 2012 nandritra ny fanolorana ilay fiarabe tao amin’ny kianjan’ny “voirie”, ary tamin’izany dia sahiny no nilaza fa nampitomboina ho 250% ny teti-bola hanalana ny fako. Ankoatra izay ihany koa dia nanambara ampahibemaso ny tenany tamin’izay fa misy tahirim-bola : “fonds libre”, mahatratra 191 tapitrisa Ariary azo raisina tamin’izay raha misy ny hamehana. Efa nisy moa ny fifampiresahany tamin’ny ministeran’ny fitantanam-bola ka mino ny tenany fa ahitana vahaolana tsy ho ela amin’izao olana lalovan’ny Kaominina izao. Izay ilay tonga amin’ny ohatry ny Ntaolo hoe : “Ny vava no tsy atao be, ny mamerina azy no tsy laitra e !”.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.