Politique

Kaominina Antananarivo Vola miliara maro tsy mazava sahady…


  • Talata 04 Febroary 2020

Holaniana anio etsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny tetibolan’ny kaominina Antananarivo.

 

 

 

Nitondra fanakianana mivaivay ireo mpanolotsaina avy amin’ny Komba ahitana an’i Toavina Ralambomahay, Hilda Hasinjo Ravelonahiana ary i Sandaniaina Hasimahery. Maizina tanteraka ny PIP (Programme d’Investissement Public) satria sora-bola fotsiny fa tsy hita izay ampiasana azy, hoy izy ireo.

Tokony ho notsinjaraina, arakaraka ny sehatra: sosialy, politika, fanatanjahantena,… hifanaraka amin’ny “Veliranon’Iarivo” miisa 8, hoy i Sandaniana Hasimahery. Maherin’ny 24 miliara ariary, izay ny antsasaky ny fandaniana amin’ny fampihodinana dia lany amin’ny karama. 465 ny mpiasa birao (personnels adminisitratifs), hiampy 465 tahaka izany, kanefa ireo ivelany tena mamokatra, toy ny polisy monisipaly no tokony hampitomboina. Miakatra 609 ny isan’ny mpiasan’ny kaominina, izay mampitombo ny fandaniana. 

1,301 miliara ariary laniana amina “stage et formation”, ary zara raha misy 146 tapitrisa ariary ny famahana olana ara-tsosialy (intervention sociale), 280 tapitrisa ariary ny resaka fitaovana ara-pahasalamana. Mahatratra 3 miliara ariary hividianana fitaovam-pitaterana. Ho an’ny fampiasam-bola 25 miliara ariary, dia 10 miliara amin’io dia lany amin’ny fananganana fotodrafitrasa ara-pahasalamana, 6 miliara lany amin’ny fividianana fitaovana, 3,926 miliara hividianana “tablettes” ho ana mpianatra 10000 amina EPP 90 eo, kanefa ny mpianatra aza efa misy roahin’ny Tale fa tsy mahaloa FRAM, hoy i Hilda Hasinjo. 

Aiza ny resaka sosialy izay nimatimatesana ? Tsarovy fa tsy volantsika io fa volan’ny vahoakan’Antananarivo izay mandoa hetra, hoy ny Komba. Tsy hita soritra ny fahaiza-mitantana, hoy izy ireo. Raha misy vola tokony holaniana dia ataovy any amin’ny asa sosialy. Tsy handany an’io izahay, raha amin’io endriny io fa miandrandra mba hohenoina ny hevitray, hoy i Hilda Hasinjo Ravelonahiana.

56 miliara ny fampiasam-bola, izay sora-bola fa tsy mbola misy, izay ankinina amin’ny fanomezana na fampindramana avy any ivelany. Ilay 50 tapitrisa ariary izay voasoratra ao anaty fampidiram-bola, dia fampihodinana ihany, ka rehefa lany io, dia tsy misy vola hampiasaina.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT