Politique

Kaominina Antananarivo Renivohitra Solofo Andrianarisoa no Talen’ny serasera vaovao


  • Alakamisy 17 Martsa 2016

Voatendry omaly ny talen’ny serasera vaovao ao anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, dia i Solofo Andrianarisoa na Narisoa Ny Aina no ahafantaran’ny maro azy.

 Mpanao gazetin’ny Radiom-pirenena Malagasy na ny RNM izy, mpanentana fandaharana ihany koa tao amin’ity onjampeom-pirenena ity. Mpiasan’ny minisiteran’ny fampahalalam-baovao sy ny serasera hatrany izy hatramin’izay naha mpiasam-panjakana azy izay ka ny ampahany betsaka tamin’ny asa nosahaniny dia mpanao gazety, mpanentana sy mpanatontosa fandaharana. Teo amin’ny asa fanaovan-gazety dia S.A na Solofo Andrianarisoa no nahafantarana azy, mpilaza vaovao tao anivon’ny Radiom-pirenena Malagasy na RNM. Teo amin’ny sehatry ny fanaovana fandaharana sy fanentanana kosa dia Narisoa Ny Aina no nahafantaran’ny mpihaino azy manerana ny Nosy. Ankoatra ny asa tao amin’ny onjampeom-pirenena, nampianatra teo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety ihany koa izy tamina Oniversite tsy miankina. Matotra sy manana traikefa amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny serasera izy ka antenaina fa hitondra aina vaovao ho an’ny serasera ao anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ity talen’ny serasera vaovao ity sy ny ekipany.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT