Politique

Kaominina Antananarivo Renivohitra Hanara-maso ireo fanorenana tsy ara-dalŕna


  • Alatsinainy 25 Janoary 2016

Mitombo isa hatrany ireo fanorenan-trano tsy ara-dalŕna eto Antananarivo Renivohitra. Any amin’ireo toerana efa tery sy voarara no tena manao izany ny ankamaroan’ny maro ka tafiditra ao anatin’ireny ny fanorenana eny ambony tata-drano

 

. Amin’ny ankapobeny dia saika amin’ny alina avokoa ny  tompony no manangana azy ireny, ialana amin’ny fanaraha-maso mety hataon’ny tompon’andraikitra, olana iraisin’ny kaominina rehetra. Mba hahafahana mampiaina ny rehetra ao anatin’ny ara-dalana ho fandraisan’izy ireny anjara amin’ny fandoavan-ketra dia fantatra fa hiroso amin’ny fanaraha-maso akaiky azy ireny manomboka izao ny kaominina Antananarivo Renivohitra, hoy ny tompon’andraikitry ny serasera ao aminy. Hatombony isam-pokontany  izany, hiparitaka manerana ny Boriborintany enina.  Hisy mihitsy ny ekipa hiasa manokana ho amin’izany fotsiny hahafahana mamerina amin’ny  laoniny ny tanàna. Tsiahivina fa vokatry ny gaboraraka nisy teto amin’ny firenena nanomboka ny taona 2009 no nampirongatra ny fanorenan-trano tsy ara-dalàna. Tafiditra tao anatin’izany ny fanotofana tany  sy ny fitombon’ny isan’ireo mpivarotra amoron-dalana. Inoana fa  hivaha tsy ho ela ity raharaha mahakasika ny fanorenana trano tsy ara-dalàna eto an-drenivohitra ity.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT