Politique

Kaominina Antananarivo Renivohitra 50 miliara ariary hatokana amin’ny fampiasam-bola


  • Talata 28 Janoary 2020

Nisokatra omaly tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana ara-potoana voalohany natrehan’ny mpanolotsain’ny tanàna eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).

 

 

Folo andro ny faharetan’ny fivoriana ka hodinihana ny famerina tahan-ketra miditra amin’ny CUA. Anisan’ny mila apetraka ho laharam-pahamehana , hoy ireo mpanolotsaina, ny fanomezana vahaolana amin’ny tranga miseho amin’izao toy ny voinam-pirenena. Manaraka izany, jerena ny vahaolana vonjimaika ho an’ireo mpivarotra vao miroso amin’ny vahaolana maharitra. Tsy maintsy apetraka ny mangarahara eo anivon’ny CUA satria fahefana nomen’ny lalàna io ka tsy maintsy tanterahina. Miisa fito ny kaomisionina ao anatin’ny filankevitry ny tanàna ary ao anatin’izany ny kaomisionina misahana ny ady amin’ny kolikoly sy fitantanana tsara tantana. Ao anatin’ny fe-potoam-pivoriana natao handaniana ny vinavinan’ny tetibola 2020 ny filankevitra monisipalin’ny tanànan’Antananarivo. Tetibola vonjimaika ihany no nataon’ny ben’ny tanàna Naina Andriatsitohaina raha nitondra fanazavana teo anoloan’ny filankevitra monisipaly omaly. Tsy dia nisy fiovana loatra fa ny vinavina izay efa nataon’ny teo aloha ihany aloha no raisina. 50 miliara ariary no natao amin’ny fampiasam-bola ary 102 miliara ariary ny fifandajan’ny vola miditra sy mivoaka. Nanamafy moa ny ben’ny tanàna fa raha misy soso-kevitra dia misokatra ho an’ny rehetra izy. Raha ny tapaka omaly aloha dia ny fanitsiana ny tetibola amin’ny volana manaraka ho avy no tena hamaritana ny tetibola ampiasain’ny tanànan’Antananarivo.  Misy ihany ny vola miditra saingy  nesorina ireo karazana tataon-ketra tahaka ny hetra alaina amin’ny bisikileta.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT