Tonga nanome tolo-tanana , borety miisa 40 mitentina 5 tapitrisa ariary latsaka kely hoan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny orinasa SBM (Banque Madagascar) omaly 13 oktobra 2017 tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely.
Fanampiana mba hanamafisana fanadiovana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra amin’izao fihanaky ny valan’aretina pesta izao. Nanolotra izay tamin’ny Solontenan’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny Tale jeneralin’ny SBM, Gilbert Lagaillard sy ny Tale jeneraly lefitra, Haingotiana Rajoelisolo. Nanambara ireto tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny SBM ireto fa mbola hitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta fa tsy hijanona fotsiny amin’izao tolo-tanana izao. Ny kaominina Antananarivo ihany koa etsy an-daniny dia misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra rehetra mba hikatsahana ny soa hatrany ho an’ity Renivohitr’I Madagasikara ity. Mitohy ny ezaka sy ny fanasoavana ny tanàna miainga amin’ny ezaky ny mpitantana. Renivohitra iaraha-manana ity, ka manentana hatrany ny rehetra hifanome tanàna na ara-teknika na ara-pitaovana, eny fa na ara-bola mihitsy aza ny kaomina. Manentana hatrany ny rehetra amin’ny fitandrovana ny hasin’ny tanàna toy ny resaka fahadiovana ihany koa tombotsoa iaraha-manana ny tanàna madio sy milamina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.