Politique

Kaominina Anosizato Andrefana Hijery manokana ny resaka fananantany


  • Alakamisy 05 Janoary 2017

Olana iray sendrain’ny kaominina Anosizato Andrefana amin’izao fotoana izao ny faharovitan’ny boky momba ny tany eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananantany ka tsy hahafahan’ny ankamaroan’ny mponina maka “certificat juridique” rehefa misy taratasy karakaraina raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Andriambololona Laurence.

Tsy hijery fotsiny izany  anefa izy ireo hoy hatrany ity Ben’ny tanàna  ity satria dia tafiditra ao anatin’ny vina hotanterahin’ny kaominina amin’ity taona vaovao 2017  ity fikarakarana izany arahin’ny fijerena akaiky ilay fanarian-drano na ilay  “schéma hydrolique” izay hikambanany amin’ny kaominina Ampitatafika sy Andranonahoatra ary Itaosy. Saika dibo-drano hatrany mantsy ity kaominina ity isaky ny fotoam-pahavaratra tahaka izao hoy hatrany ity Ben’ny tanàna ity. Tamin’ny taon-dasa ohatra raha araka ny fanazavana azo dia an-jatony ireo traboinan’ny kaominina izay vokatry ny fahavakisan’ireo fefiloha any amin’ireo kaominina namana hafa toa an’i Soavina…Efa miomana sahady amin’ny fiatrehana izany araka ity kaominina ity ka anisan’ireny ny fitadiavana toerana hametrahana ireo traboina mba tsy hakana ny sekoly  izay tokony hianaran’ny mpianatra intsony… Anisan’ny ezaka hotanterahin’izy ireo amin’ity taona 2017 ity ihany koa ny fanamboarana ny lalàna eny amin’ny fefiloha miazo an’Ambaniala raha eo ihany koa ny am-pahan-dalana miazo an’Ankazotoho.

Pati

                                        

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT