Tena nihoapampana ny famoaham-bola teny anivon’ny kaominina Anosizato Andrefana tamin’ny fotoan’androny.
Ny solika ho an’ny Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina fotsiny mantsy dia nomarihin’ny profesora Maminiaina Ramalanjaona, kandida laharana fahefatra natolotry ny antoko TIM fa misy karazany telo. Voalohany amin’izany ny solika. Faharoa indemnité de transport ary fahatelo ny carburant. Tena volabe no lany tamin’izany hoy ity kandida iray ity nefa tokony hahavitana zavatra ho an’ny vahoaka. Avadiny ho vola hividianana fiara fitondrana marary ho an’ny kaominina Anosizato andrefana izany raha vantany vao lany soa aman-tsara eo ny tenany. Efa mahita mpamatsy vola ihany koa ity kandida iray ity hanangana trano famakiam-boky ho an’ny mpianatry ny Ceg sy lisea ao an-toerana raha averiny ilay mutuelle de santé Itokiana hahafahan’ireo sahirana ara-pivelomana mitsabo tena raha sanatria tojo aretina. Hijery manokana ireo tsy an’asa ihany koa ity kandida ity raha ny resaka nifanaovana taminy omaly. Lohalaharana amin’izany ny vehivavy, indrindra fa ireo mpamboly sy mpiompy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.