Politique

Kaominina Andoharanofotsy Nandaitra ny fanentanana ny mponina


  • Zoma 10 Martsa 2017

Tsy nahitana rano niandrona mihitsy ny araben’Andoharanofotsy ny Alarobia sy omaly tontolo andro na dia nirotsaka tsy ato aza ny orana teto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Noho ny ezaky ny kaominina sy ny Fokonolona izay samy nanadio ny tata-drano rehetra no anisan’ny antony nahatonga izany, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Ranirison Hasina. Nandaitra ihany koa hoy izy ny fanentanana ny mponina ny amin’ny tsy tokony hanarina fako any anaty tata-drano ka tsy nisy intsony ny rano nihandrona. Raha tsiahivina anefa dia miaina anaty rano hatrany ny mponina ao Andoharanofotsy isaky ny fotoam-pahavaratra tahaka izao ka misy mihitsy ireo tsy afaka manohy ny asa fivelomany andavanandro toy ny mpivarotra… raha misedra olana ihany koa ny mpiasa sy ny mpianatra. Voasoroka hatrany amin’ireo tokantrano nahiana ho traboina hoy hatrany ny Ben’ny tanàna, asa izay ezahina hotohizana hatrany hananan’ny mponina filaminan-tsaina sy hahafahana miaina ao anaty tanàna madio.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT