Taom-pahombiazana tamin’ny ankapobeny ny taona 2016 ho an’ny kaominina Andoharanofotsy. Betsaka ireo asa efa vita raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanŕna Ranirison Hasina,
indrindra fa ny lafiny ara-tsosialy toy ny fandaminana sy ny fandrindrana ny tanàna saingy na izany aza mbola betsaka ihany koa ireo asa tsy maintsy hotontosaina. Anisan’ny asa mbola hotohizan’izy ireo amin’ity taona vaovao 2017 ity ohatra ny fampanarahan-dalana ny mponina amin’ny asa fanorenan-trano na fanitarana izany foto-drafitrasa izany amin’ny alalan’ny fanatonana ny kaominina ka hahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ny fandoavan-ketra toy ny hataon’ny mponina rehetra. Toraka izany koa ny fanitarana ny lalana alehan’ny taxi-be sasany izay ezahina hampidirina any anatin’ireo fokontany somary lavi-dalana isan-karazany, ny fanomezan-danja ireo fiara karetsaky ny kaominina ara-dalàna izay efa niasa tao amin’ny Andoharanofotsy hatramin’izay…Tsiahivina moa fa tsy nanadino ireo zokiolona manerana ireo fokontany iadidiany ny Ben’ny tanàna nandritra ny fankalazana ny fetin’ny taom-baovao lasa teo. An-jatony izy ireo no notolorana fanomezana toy ny fotsim-bary sy ny menaka ary ireo karazana kojakoja maro samihafa, hetsika efa fanaon’ny kaominina isan-taona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.