Manomboka voarain'ny mponin'Andoharanofotsy ireo foto-kevitra 3 lehibe ijoroan'ny Tia Tanindrazana dia Fanabeazana, fitsinjaram-pahefana ary teknolojia.
Lanonana tsy manampaharoa io tamin'ny sabotsy io nohafanain'ireo artista fanta-daza toa an'i Rebika sy Green. Teo ihany koa ireo tanora mpanakanto avy eo an-tanàna miara-dia amin'i Gasy. Asa fa tsy kabary ny an’ny kandidà Gasy, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Tia Tanindrazana, raha nandray fitenenana. Tsy ben’ny tanàna akory i Gasy, dia efa hita sy mivaingana ny asa nataony, toy ny fanamboarana tetezana, ny toerana fanasan-damba, ny fametrahana “panneaux solaire”, jiro isaky ny fokontany, ny fanomezana solosaina ny lisea, Ceg ary ny Epp. Efa I Gasy no ben’ny tanànay, hoy ny vahoaka naneho ny fanohanana azy. Teo koa ny fanampiana ny tanora tamin’ny fanatanjahantena. Maro ny zavatra vitan’ny kandidà, hoy ny sekretera jeneraly ary mbola hanao zavatra betsaka izy rehefa ho lany ben’ny tanàna, toy ny fametrahana tobin-janaparitra “poste avancé” amin’ny faritra mafana. Hasiana toerana famakiam-boky ny lisea sy ny Ceg. Omena fiofanana arak’asa ny tanora sy ny zanak’Andoharanofotsy. Niantso ireo delege koa izy mba hanara-maso ny lisi-pifidianana. Nanamafy ny mpitariky ny mpanolotsaina Feno na Sisi, fa olona vaovao ary manana ny maha izy azy ny kandidà sy ireo mpiray lisitra aminy. Hiova endrika Andoharanofotsy rehefa lany i Gasy, hoy izy ireo. Mahatoky ary manana fanantenana aho fa ho lany, hoy Ranary Lala na Gasy.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.